Ambodimita : Sekoly nirodana tampoka, ankizy 13 naratra

Nitrangana firodanana tampoka ny trano sekoly eny Ambodimita Ampandriam­be­hivavy, omaly maraina tamin’ ny 10 ora. Sekoly iray tsy mian­kina amin’ny fanjakana ity nirodana tampoka ity. Vokany, ankizy 13 indray naratra tamin’ izany ka dimy amin’izy ireo no voalaza fa naratra mafy, araka ny tatitra voaray teo anivon’ny Sampana mpamonjy voina. Nisy tamin’ireo mpampianatra tao amin’ity sekoly ity koa no naratra, raha ny fanazavana voaray. Nianjeran’ny biriky avokoa ny ankamaroan’ireo ankizy tao an-tsekoly. Fotoana fohy taorian’ny firodanana, tonga teny an-toerana ny teo anivon’ny Sampana mpamonjy voina nanao ny asam-pamonjena tamin’ny fanavotana ireo ankizy sy mpampianatra niharam-boina. Naharitra adiny iray ny fiatrehan’ny mpamonjy voina ny asam-pamonjena teny an-toerana. Nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana ireo niharam-boina ka efa mandalo fitsaboana.

Tsy manaraka ny fenitra maha sekoly azy…
Raha ny fahitana azy teny an-toerana, tsy manaraka ny fenitra momba ny fanorenana sy ny fotodrafitrasa maha se­koly azy ity toeram-pianarana nandratra olona ity. Nanamafy izany rahateo ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina fa miorina amin’ny toerana tsy tokony hanorenana trano ity sekoly ity ka antony naha­tonga ny loza rahateo izany. Anaty rano misy honahona no nanorenana ny sekoly na ha­tramin’ny rafitry ny biriky nanan­ganana ny trano koa aza tsy manaraka ny fenitra takin’ny fanorenan-trano, araka ny fahi­tana azy. Nanentana hatrany ny mpamonjy voina mba hanara-dalàna amin’ny fanorenana fotodrafitrasa toy izao mba hisorohana ny loza ka hamoizana ain’olona.

J.C

Partager sur: