Fiverenana an-tsehatra: vonona amin’ny dingana manaraka i Lalie

Tsy nisy latsaka! Ilay feo miavaka, mbola i Lalie ihany no Lalie. Feno fahatokisan-tena ary mpanakanto tena nanomana no tsikaritr’ireo tsara vintana ka nanatrika ny seho izay nataon’ity mpanakanto ity ny alin’ny zoma teo, tetsy amin’ny Le Galet Manakambahiny. “Tadidinareo ve izany?” hoy ny fanotaniany raha namerina ny “Fo mifampitady”. Tena tadidy ary nirakitra fahatsiarovana tokoa ho an’ireo mpankafy nanatrika ny seho izany. Saika izay hira nataony rehetra, indrindra ireo voarakitra tao anatin’ilay rakikira “Mozika tiako” no namerina izay fahatsiarovana nitambolona izay. Anisan’ireny ny “Ho aiza anefa”, “Fay”, sns.
Tsy namela an’i Lalie irery, fa tonga nanotrona sy nandrisika azy hanohy ny lalany eo amin’ny mozika ireo mpanakanto namany. Anisan’ny fotoana nafana indrindra ny nanaovan’izy ireo ny “Raha tia mozika”, hiran’i Tovo J’Hay izay niarahana mpanakanto maro namerina. Tazana teny an-tsehatra ry Bodo, Melky, Ndondolah, Mahery, sns, nampiara-peo taminy. Niara-niredona toa izany koa ny “Feo roa”, izay fampiaraham-peo anisan’ny nalaza indrindra tamin’ny fotoanany.
Araka ny efa nambarany, fanombohana ihany iny, no nentiny nitsapana ny sehatra ihany koa. Avo dia avo anefa ny fanantenana ho an’i Lalie, satria marobe ireo te hijery saingy tsy tafiditra noho ny toerana somary kelikely. Teo noho eo ihany anefa ny fanapahan-kevitra: haverina ny zoma 30 desambra izao ny seho, manomboka amin’ny 8 ora alina ary ao amin’ny Le Galet Manakambahiny ihany. Izay no azo hatao aloha amin’ity taona ity, fa amin’ny taona ho avy kosa ny dingana ambonimbony kokoa…

Zo ny Aina

Partager sur: