Beach soccer – Can 2022: gisitra ny Barea de Madagascar

Ratsy ny vokatra tamin’ity taona 2022 ity. Nitana ny laharana farany, tamin’ireo ekipa fito nifaninana, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny Barea de Madagascar Beach soccer (Can 2022). Fihaonana, natao tany Mozambika, ny 21- 28 oktobra lasa teo. Tsiahivina fa tao amin’ny vondrona “B” no nisy ny Barea.

Tsy nahita fandresena mihitsy izy ireo tamin’ny lalaom-bondrona. Raha tsiahivina, resin’i Egypta tamin’ny isa 4 no ho 3 tamin’ny lalao voalohany. Lavon’i Oganda,  6 no ho 3, teo amin’ny andro faharoa ary niondrika teo anatrehan’i Sénégal, tamin’ny isa 8 no ho 4,  nandritra ny andro farany.

Araka izany, tsy afaka nanao ny lalao fiadian-toerana ny Barea de Madagascar, ka izany no nahatonga an-dry zalahy ho farany amin’ny laharaha, tamin’ity Can 2022 ity. Mbola ny Lionan’i Teranga Sénégal hatrany no tompondaka, rehefa nandavo ny Faraonan’i Egypta, teo amin’ny lalao famaranana. Hisolo tena an’i Afrika, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany 2023,  i Senegal sy i Egypta.

Iny Can 2022 iny izany no vokatra tena ratsy indrindra teo amin’ny tantaran’ny Barea de Madagascar, taranja baolina kitra lalaovina ambony fasika. Tsy voaverin’ny Malagasy intsony ny naha tompondaka azy ireo, tamin’ny taona 2015. Marihina fa hatao atsy Seychelles ny “Mondial”, amin’ny taona 2025. Nahazo fankatoavana tamin’ny kaomisiona misahana ny Beach soccer eo anivon’ny Fifa.

Fitia

Partager sur: