Misaona ny tontolon’ny rugby malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana tampoka, teo amin’ny faha-49 taonany, ny dokotera Andriamiadana Lova Aimé. Araka ny vaovao, niakatra tampoka ny tosidrany, ny alarobia 21 desambra lasa teo, ka tsy nahatsiarovany tena. Nentina avy hatrany teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana, ary naiditra tao amin’ny trano famelomana aina. Natao ny ala nenina rehetra saingy tsy tana ny ainy, ny zoma hariva lasa teo.
Tsy olona vaovao amin’ny tontolon’ny rugby ny Dr Aimé, fa efa mpitsara baolina. Ny volana mey lasa teo, niatrika fiofanana ho mpitsabo ara-panatanjahantena izy, ny volana septambra, afaka tamin’ny “Niveau II medicale World rugby”. Nanomboka nanao fampiharana nitsabo ireo mpilalao, nandritra ny lalao nokarakarain’ny seksiona sy ny Malagasy Rugby. Olona tsotra, nahay nifanerasera tamin’ny rehetra ny Dr Aimé. Tsy nanana olana na tamin’iza na tamin’iza. Sariaka ary mankahery ireo namany hatrany izy, rehefa tafaraka na tafahaona aminy. Namela mananon-tena sy kamboty telo lahy ny Dr Aimé.
Alevina anio alatsinainy, eny amin’ny fasan-drazany eny Amboanjombe, Anjomakely PK 18 RN 7, ny nofo mangatsiakan’Itompokolahy. Mialoha izay, entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra eny amin’ny FJKM CENHO SOA Soavinandriana, ny razana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny baolina lavalava, izahay eto amin’ny Gazety Taratra.
Tompondaka