Basikety-Ankoay U19: haharitra 10 andro ny fampivondronana voalohany

Mafy ny fanazaran-tena hatrehan’ny Ankoay U19 lehilahy, amin’izao fanomanana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety izao. Haharitra 10 andro ny fampivondronana tapany voalohany, hataon’ireo mpilalao 14 mirahalahy. Araka ny fandaharam-potoana, manatanteraka fanazaran-tena indroa isan’andro etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ireo mpilalao, miaraka amin’ny mpanazatra , tarihan’ny Coach Randria Aimé, Coach Razazarohavana Malalatiana sy Coach Ravelonirina Angelo na i Big. “Nohararaotina ny fotoam-pialantsasatra, hikarakarana ny fampivondronana ireo mpilalao notsongaina  mba hahafahana mitily sy handrafitra ny ekipa nasionaly ny Ankoay U19”, araka ny fanazavana nentin’ny Tale teknika nasionaly ny FMBB, Razafiarivony Solofohery Angelot. “Tanjona ny hanolorana fanazaran-tena manana kalitao mifanaraka amin’ny maha ekipam-pirenena malagasy, anaty filaminan-tsaina sy fifantohana ho an’ireo mpilalao sy mpanazatra”, hoy hatrany ny fanazavan’ny DTN. Tsiahivina fa eny amin’ny Radisson Blu Hôtel Ambohijatovo no mipetraka ireto mpilalao sy ny mpanazatra ireto, toerana fandraisam-bahiny raitra sy maoderina.

Mi.Raz

Partager sur: