TSELATRA

Renim-pianakaviana, mpandeha, iray tao anaty taksiborosy mampitohy an’Antsohihy sy Antananarivo, maty tampoka azon’ny aretina, teny Ankazobe,  ny 13 septambra teo. Nanainga tany Antsohihy ny 12 septambra tamin’ny 1 ora tolakandro io taksiborosy io.
Lavon’ny zandary tao Ambatoharanana ny
dahalo mpangalatra omby tao amin’ny distrikan’i Betafo, afakomaly. Naharay fampahafantarana ny zandary ka avy hatrany dia nandray ny andraikiny . Tafaverina amin’ny tompony ny omby halatra.

Partager sur: