Disadisan’ny mpinamana : lehilahy maty voatsindron’ antsy

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nifamono tamin’ny namany, afakomaly. Voatrobaka ny tratrany. Voasambotry ny polisy ny nahavanon-doza.

Voatsatok’antsy teo amin’ ny faritry ny tratrany, namoy ny ainy, ny lehilahy iray tao amin’ny Croisement Sotema, kaominina Mahajanga Renivohitra, afakomaly. Mifankahalala ihany izy mirahalahy nifampikasi-tanana ireo. Mpiray tanàna rahateo ka tsy nampoizin’ny fokonolona nanatri-maso hifandatsa-dra amin’ny alalan’ny fampiasana zava-maranitra. Nifampiaka-peo izy roa lahy. Raikitra ny fifampikasihan-tanana. Lavo tamin’ny tany ny iray. Tampoka, na­moaka antsy teny aminy izy ka nandetika izany tamin’ny vatan’ilay mpifanandrina taminy. Tsy vitan’io, notsatotsatohany tamin’ny antsy ilay lehilahy. Nandriaka ny ra. Vory tao antin’ny minitra vitsy ny fokonolona izay niezaka nitana io nahavanon-doza io.

Nosamborin’ny polisy
Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay lehilahy namono nahafaty olona. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ka nifehy ny fandriampahalemana tao an-toerana. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana, eny anivon’ny hopitaly Jean Paul II, ilay naratra. Tsy tana intsony ny ainy vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. Hatreto, tsy fantatra mazava ny antony niteraka izao vono olona izao. Anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny polisim-pirenena. Ankilany, “ady sigara sy toaka no nitarika ny fifandirana teo amin’izy mirahalahy ireo”, hoy ny loharanom-baovao hafa.

Tsiferana R.

Partager sur: