Lohan-jaza sy ny tanany hany sisa hitan’ny fokonolona tao anaty harona plastika teny amin’ny fokontany Ankadikely, kaominina Ankadikely Ilafy, distrika Avaradrano, omaly maraina. Notaritarihin’ny alika io harona nisy ilay fatin-jaza vao teraka io ka tavela teo afovoan-dalana, araka ny fiheveran’ireo nanatri-maso. Nampandre avy hatrany ny manam-pahefana ao an-toerana ny fokonolona. […]
Auteur/autrice : Adnews
Analamahitsy Tanàna : Tsy nanaiky nanala zaza, vehivavy novonoin’ny sipany
Tsy tana ny ain’ilay tovovavy novonoin’ny sakaizany teny Analamahitsy Tanàna, afakomaly alina. Nanda ny fanerena azy hanala zaza izy ka nakapoka tamin’ny rindrina ny lohany. Voasambotry ny polisy, omaly, ilay lehilahy nahavanon-doza. Nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly, tao Andrononobe, ny lehilahy iray 18 taona namono nahafaty ny sakaizany teny amin’ny fokontany […]
“Pureplay Football League”: Hanafika an’i Antimo Record ny AS Ste Anne
Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Hanafika an’ireo ekipa avy any atsimo, any Toliara, ny AS Ste Anne, ny alahady ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’i Maitre Kira. Araka ny fanadihadiana natao omaly, efa […]
SOMBIM-BAOVAO
Fanitsiana ny lahatsoratra nivoaka omaly talata 3 marsa 2026, mahakasika ilay fifaninanana ho an’ny ankizy. « Ankizy milalao », andiany faharoa, no tena anaran’ilay hetsika karakarain’ny Analakely Football Academy (Afa) etsy Betongolo, ny 7-8 marsa ho avy izao, fa tsy « Kilonga milalao ». Marihina fa fotoana iray ahafahan’ny ankizy misehatra amin’ny lalao baolina […]
Volley – CAVB Zone 7: Malagasy 3 mitsara any Seychelles
Ankoatra ny fandraisan’ny ekipa malagasy anjara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka aty amin’ny ranomasimbe Indianina, taranja volley-ball, manana solontena ihany koa i Madagasikara eo amin’ny lafiny fitsarana lalao. Malagasy 3 no hitsara lalao any Seychelles mandritra ity fifaninanana ity. Ahitana an’i Mamitiaina Tsifolakasy Herizo, mpitsara federaly sy Koera Félix […]




