Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny lalao famaranan’ny hetsika « Ma-Hery Futsal » andiany voalohany, izay nokarakarain’ny fikambanana Fief-Mada. Nandrombaka ny laharana voalohany sy nahazo ilay lelavola 2 tapitrisa Ariary ny Oniversite Isecom. Teo amin’ny vehivavy kosa, nahazo ny amboara ny Oniversiten’ny ISFPS Leader. Tsia­hivina fa nahatratra 22 ireo ekipa nandray […]

Gymnastique-2026 : Hanangana kaomisionina “aérobic” sy “artistique”

Nanatanteraka fivoriambe fanao isan-taona, omaly, teny amin’ny Foiben’ny Kom Ivandry, ny federasionina malagasin’ny Gymnastique. Fivoriana nanaovana ny tatitra 2025 sy nanolorana ny programa 2026. Taranja efa nisy ela teto Madagasikara ny “Gym­nastique” saingy tsy mbola nisy rafitra mazava nitantana azy. Nanomboka ny taona 2024, nitantanan-dRandriamalala Jacquis ny Federasionina malagasin’ny “Gymnastique”, […]

INDRAY MIJERY

Ho fanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo , indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tao Toamasina, nomena fiofanana mahakasika ny fitiliana sy fandraisana an-tanana izany ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanentana eny ifotony ao anatin’ny SDSP Toamasina I. Nohamafisina manokana ihany koa ny fanaovam-baksiny mba hisorohana ireo aretina azo sorohana. Notontosaina […]

Fandaharanasa « Toamasina Miarina » : « Mizotra miandalana ny asa », hoy ny MSP

Nidina ifotony nijery sy nanara-maso ny fanatanterahana ny fandaharanasa « Toa­masina Miarina », taorian’ny rivodoza, ny minisitry ny Fila­minam-bahoaka (MSP), Erick Michel. Mizotra miandalana ny asa efa natomboka, ho fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza ao amin’ny faritra Atsinanana. Miompana bebe kokoa amin’ny fitsinjovana ny maha olona izany amin’izao fiandohany izao. Misy ny […]