Auteur/autrice : Adnews

JIOI 2023 – Filoha Rajoelina : “Fandresena anatin’ny firaisankina no tanjona”

Nitafa sy nidinika ary niara-nikorana tamin’ny Fe­de­rasiona sy ny atleta ma­lagasy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Nandritra izany no nanambarany fa fandresena anatin’ny firaisankina sy fa­hasamihafana no tanjona amin’ity lalaon’ny Nosy 2023 ity. Hahafahana manatratra izany tanjona izany, notsinjaraina samy hiandraikitra ta­ranja ireo minisitra mpikambana eo anivon’ny governemanta. […]

“Journée des sportifs médailles” : nahazo ny anjarany avokoa ireo atleta namiratra

Nakotroka indray teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly alahady 7 mey. Noraisin’ ny filoham-pirenena sady nahazo mari-boninahitra avokoa ireo atleta rehetra namiratra kanefa tsy mbola nahazo izany. Efa fampanantenana na­ta­on’ny fitondram-panjakana ny hanome fankasitrahana ireo mpanao fanatanjahantena rehetra mitondra avo ny voninahi-pirenena ary nohamafisin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa tsy asiana fanavahana […]

«Tournoi Inter Medias» : tompondaka ny Ilontsera sy ny Kolo Production

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanana ho an’ny mpanao gazety, «Inter Medias», andiany voalohany. Nandrombaka ny amboara teo amin’ny Foot à 7, lehilahy, ny orinasa Ilontsera, raha toa ka ny Kolo Production ny an’ny taranja basikety « mixte ». Ny eki­pan’ny Ultima Media (ivondronan’ny gazety Taratra […]

Filoha Rajoelina Andry: miantso ny FMF hizara ny valin-kasasaran’ny Barea Chan

Mitsipaka ny fandaminana napetraky ny Federasiona malagasy (FMF), amin’ny fitsinjarana ny «Prize money», azon’ny Barea de Madagascar, tany amin’ny “Chan 2022” ny mpanazatra sy ny mpilalaon’ny Barea. Miantso ny FMF, araka izany, ny filoha Rajoelina Andry hizara izany valin-kasasaran’ny mpilalao izany. Nanao fanambarana niaraka, Andriama­nam­pisoa Alfred fi­lo­ha lefitra voalohan’ny Federasiona […]