Auteur/autrice : Adnews

“Circuit Training”: hahazo vola 2 tapitrisa Ariary ny voalohany

Hotanterahina ao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny 4 jolay ho avy izao, ny fifaninanana ara-batana “Circuit Training à Madagascar”, andiany voalohany. Hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny Zaka Rise Mada, tohanan’ny orinasa Yas Madagas­car. Hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mahazo ny laharana voalohany amin’izany, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra omaly, teny Andra­haro. Natokana […]

Vondrona «I»: tsy manan-tsafidy fa mila mandresy i Sénégal, anio

Anisan’ny lalao andrasan’ny maro, indrindra ny vahoaka afrikanina, ny lalao hikatrohan’ny Lions de la Teranga, Sénégal sy Norvège ho an’ny vondrona “I”. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja New-York/New Jersey, East Rutherford. Tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fandresena ihany ry zareo sénégalais amin’ity. Raha tsiahivina, tsy mbola manana isa ary farany ny […]

Indray mijery

 Hisy fidinana misongadina ny maripana any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, manomboka ny faran’ny herinandro. Manodidina ny -1 hatramin’ny 26 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 22 – 35 °C ny tolakandro. Ny varatraza no handrafitra ny toetry ny andro mandritra ity herinandro ity. Misy ny fampitandremana mahakasika ny alondrano […]

Kly Rampanarivo: « Mila madio koa ny toe-tsaina »

Anisan’ireo niatrika sy nitarika ny hetsika fanadiovana faobe tao an-drenivohitry ny Faritra Vakinankaratra, Antsi­rabe, ny Mpanolotsaina avon’ny Fanaovana ny Re­poblika, ny Kly Rampanarivo Thierry sy ny minisitry ny Rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana, ary ny lehiben’ny Faritra Vakinan­karatra, Ravaonirina Nathalie Sébastienne. Namba­ran’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny Fanaovana ny Repoblika […]

Oniversiten’i Vakinankaratra: famoahana ireo mpianatra nahazo diplaoma

Notanterahina tao amin’ny Oniversiten’i Vakinankaratra, Antsirabe, ny zoma lasa teo, ny famoahana ireo mpianatra nahazo ny diplaoma voalohany nomen’ity sekoly ambaratonga ambony ity. Tonga nanatrika izany, sady nanome voninahitra ny lanonana, ny Fiadidiana ny Fanavaozana, tamin’ny alalan’ny Mpanolo­tsaina avo, ny Kly Rampa­narivo. Fantatra fa ny Oniver­siten’i Vakinankaratra irery no Oniversitem-panjakana […]