Indray mijery

 Hisy fidinana misongadina ny maripana any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, manomboka ny faran’ny herinandro. Manodidina ny -1 hatramin’ny 26 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 22 – 35 °C ny tolakandro. Ny varatraza no handrafitra ny toetry ny andro mandritra ity herinandro ity. Misy ny fampitandremana mahakasika ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra. Hisy orana miatoato any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy afovoany atsinanana ary hiitatra any amin’ny ilany atsimo atsinanana izany, ny faran’ny herinandro. Handrahona amin’ny ankapobeny ny ilany atsinanan’ny Nosy.

Hanomboka vondrona fanohanana sy fifampizarana isam-bolana ho an’ireo olona mahatsiaro kivy ka maniry hizara sy hifampihaino ao anatin’ny tontolo azo antoka sy feno fanajana ny fikambanana PSY-kôzy Madagascar. Ho afaka mizara ny zavatra iainany tsy misy fitsarana. Aoka hihaona ireo olona mandalo fahasahiranana mitovitovy, hahazo fihainoana sy fanohanana ary hery ireo hiserasera ao anatin’ny vondrona. Maimaimpoana ny fandraisana anjara. Hozaraina tsy ho ela ny andinindininy momba izay.

Misokatra ny fahafahana ho an’ireo tanora liana amin’ny sehatry ny angovo azo avy amin’ny masoandro amin’ny alalan’ny fanofanana TSSPV (Technicien en système solaire photovoltaïque) izay tanterahina ao amin’ny LTP Alarobia sy LTP Toliara, anio. Iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny minisiteran’ny Angovo izany. Ahafahana mahafantatra ny votoatin’ny fanofanana ireo lalam-pihariana azo idirana sy mifandray amin’ny tontolon’ny asa ny varavarana misokatra tanterahana.

Partager sur: