Raha ny fandalinana nataon’ireo manam-pahaizana ao amin’ny Organisation météorologique mondiale (OMM) dia anisan’ny rivodoza naharitra indrindra ary ela vao levona ilay rivodoza Freddy nanafika an’i Madagasikara nisesy teo. Anisan’ny rivodoza nahafaty olona betsaka ary nanimba zavatra maro ihany koa i Freddy. Nampitondra takaitra firenena maromaro ihany koa izy ary anisan’izany […]
Auteur/autrice : Adnews
Fananganan-tsaina : nahazo rariny ireo mpampianatra
Nampahafantarin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle omaly, fa nahazo rariny teo anivon’ny Filankevi-panjakana ireo mpampianatra sy mpanabe. Raharaha mikasika ilay resaka fandavan’ny ankizy tsy hanangan-tsaina sy tsy hihira ny hiram-pirenena, tao amin’ny sekoly, tao Alakamisy Itenina. Nolavin’ny fitsarana mahefa ny fangatahana fampiatoana ny sazy nahazo ireo mpianatra tsy nanaja […]
Tetikasa Harivola : hanofana maimaim-poana momba ny fitantanam-bola
Rehefa voafehy ny fitantanam-bola, na kely aza ny eo am-pelatanana, mitondra fivoarana ho an’ny fihariana sy ny asa hatrany. Hatomboka amin’ny faritra enina ny tetikasa “Harivola”. Hampianatra maimaim-poana ny tanora, mpandraharaha madinika na mpitantana orinasa, hitantam-bola ny Iscam solutions formation (ISSOF), amin’ny tetikasa “Harivola”. Fandaharam-piofanana nasionaly hampiroboroboana ny fitantanam-bola azon’ny […]
« Rodobe Mafana 2023 » : Mpanakanto am-polony hifampizara sehatra
Ho antonona ve ny toerana ? Izay avokoa ny fanontanian’ireo izay naheno rehetra ny fisian’ilay seho « Rodobe Mafana 2023 ». Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 9 ora alina etsy amin’ny Jao’sPub Ambohipo izy io. Miavaka amin’ny mahazatra, satria araka ny anarany dia tena rodoben’ireo mpanakanto tokoa izany. Tarika am-polony no hifandimby an-tsehatra, ahitana […]
IKM Antsahavola: hotohizan’i Hobiana ny atrikasa fanoratana tantara
Nizara ny fahalalany mahakasika ny voambolana Malagasy i Riambola Mitia, ny volana janoary. Nanohy ny atrikasa momba ny fanoratana tantara kosa i Michèle Rakotoson, ny volana febroary. Fantatra kosa fa hotohizan’i Hobiana Andrianimerina izany, rahampitso 11 marsa amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny IKM Antsahavola. Toa ireo namany taloha, mpanoratra […]




