Taty amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19, niova ny tantaran’i Madagasikara satria nifandray diplomatika tamin’ny fanjakana anglisy izay iray tamin’ireo firenena natanjaka indrindra eran-tany ny mpanjaka Radama I ary nanao sonia fifanaraham-piarahamiasa taminy. Tafiditra tao anatin’izany ny fangatahany mba handefasana mpahay taozavatra hampianatra asa vaovao ny vahoakany. Tsy nandà koa izy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Seho iraisam-pirenena : vonona ny hampifaly ny tanora i Tayc
Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fampisehoana goavana hataon’i Tayc, mpanakanto frantsay miangaly ny gadona R&B. Fampisehoana iarahany amin’ny mpanakanto kalaza malagasy. “Vonona ny mpikarakara hanome fampisehoana mendrika ny mpankafy sy ity mpanakanto iraisam-pirenena ity”, hoy i Vincent, solontenan’ny mpikarakara. Ankoatra ny fampisehoana, hisy ny […]
Fiarahamonina malagasy ankehitriny: nanjary « mora sanda » sy very hasina ny vehivavy
Nanaraka fatratra ny lamina voajanahary ny Malagasy. rehefa lahy, dia lahy. Rehefa vavy, dia vavy. Mifandraika amin’izany ny fizarana asa, andraikitra adidy, sns, eny anivon’ny fiarahamonina. Nirindra ny zava-drehetra satria nifameno ny tsirairay… Nitana ny toerana nametrahan’ny lamina voajanahary sy ny fiarahamonina izay ny vehivavy. Votsotra niandalana anefa izany… Tsy […]
Ligue des Champions : « Tsy ilain’ny PSG i Messi », hoy Rothen
Taorian’ilay fihintsanan’ny Paris Saint Germain FC (PSG), klioba Frantsay, nandritra ny lalao ampahavalon-dalana miverina ny «Ligue des Champions 2023» dia namoaka ny alahelony i Jérôme Rothen, mpilalao parizianina fahiny (2004-2009). “Tsy ilain’ny PSG ny manavao ny fifanarahana amin’i Lionnel Messi, lohalaharan’ny mpanjakan’ny «Ligue 1». Raha mbola milalao ao Parc des […]
Lomano-Vive l’Avenir : mpilomano 230 mahery no andrasana
Hetsika efa ahafantarana ny klioban’ny Saint Michel isan-taona, ny fifaninanana “Vive l’Avenir”, ho an’ny taranja lomano. Raikitra indray ny fifaninanana amin’ity taona 2023 ity, ka hotanterahina rahampitso sabotsy sy ny alahady izao, ny andiany faha-11, eny amin’ny ANS Ampefiloha. Manodidina ny 230 eo ny mpilomano andrasana, izay nanasana ireo klioba […]




