Auteur/autrice : Adnews

Ambatondrazaka-Amparafaravola : mihatra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina

Voarara ny fivezivezena manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina ao amin’ny distrikan’ Ambatondrazaka sy Ampara­faravola. Io ny didy navoa­kan’ny préfet Ambatondra­zaka. Nihatra nanomboka ny talata teo ny tsy fivezivezena amin’ny alina ao an-toerana. Voa­sazy, araka izany, ireo rehetra minia mandika ny lalàna napetraka. Hatramin’ny ora nanoratanay […]

Samy minday ny ainy !

Tena mampiteny ny moana ! Tsy mitsahatra miakatra ny vidim-piainana. Saika isan’andro no miovaova ny sora-bola amin’ny vidin’entana miranty eny an-tsenakely rehetra eny. Tsy hay lazaina ny vidim-bary, ny vidin’ny kojakoja ilaina andavanandro. Azo lazaina fa mizaka ny tsy eran’ny aina tokoa ny vahoaka malagasy. Mihinan’ny tsy fihinana ara-bakiteny. Miova […]

Kariera Andilana Avaratra: hidina an-dalambe indray ny fokonolona

Misokatra indray ny kariera Béryl, ao Andilana Avaratra, distrikan’Amparafaravola. Tsipahin’ny fokonolona izany ka manambana hidina an-dalambe indray izy ireo anio. Araka ny loharanom-baovao iray, taorian’ny fivorian’ny fokonolona omaly, hidina an-dalambe, hanotrona ireo namany nampanantsoina eo anivon’ny mpitandro filaminana Ambohivory, momba ny raharaha kariera Béryl Andilana Avaratra ny fokonolona, anio. “Misy […]

Ambatolampy: mpangalatra roa lahy sy ny reniny voasambotra

Lehilahy telo sy ramatoa iray indray voasambotra noho ny fisiana vaky trano tao Ambanimaso, kaominina Am­batolampy, ny atoandron’ny 26 febroary teo. Nandeha nivavaka ny tompontrano, nidiran’ny tovolahy roa ny tokantrano iray. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola nitentina 1 060 000 Ar. Niverina nody, akory ny hatairan’ireo tompontrano tsy nahita intsony ny volany. […]