Nahazo didy avy amin’ny fitsarana heloka bevava ao Fianarantsoa hisazy asa an-terivozona mandra-pahafaty ireo roa lahy namono nahafaty an’i Miley kely, omaly. Voasambotra ny 17 novambra 2024 lasa teo ny olona miisa telo voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’io vonoan’olona mahatsiravina, tao atsimon’ny Lysea Raherivelo Ramamonjy, ao Fianarantsoa, io. Nifampitadiavan’ny fianakaviany […]
Auteur/autrice : Adnews
Vono olona mampiahiahy: Tovolahy iray mpianatra hita faty tao an-tranony
Tovolahy iray manodidina ny 22 taona hita faty tao an-trano fonenany, ao amin’ny fokontany Miarina Talata, Andraikiba, disitrika Antsirabe, omaly maraina. Tsy hitan’ny olona teny amin’ny manodidina. Nivoaka ny trano mihitsy izy io nanomboka ny alarobia 12 novambra 2025 lasa teo. Nihidy foana ny trano fonenany nandritra ny tontolo andro. […]
Lalam-baovao Ambohitrimanjaka : Raim-pianakaviana nitondra bisikileta maty voadonan’ny fiara
Fiarakely iray, marika Ford, nanitsaka olona tetsy amin’ny fokontany Anosibe Zaivola, Lalam-baovao mihazo an’Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ny raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Lalam-baovao mihazo an’Ambohitrimanjaka, anatin’ny fokontany Anosibe Zaivola, boriborintany fahenina, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Afaka kely ny tetezana […]




