Auteur/autrice : Adnews

Efa nivoaka any an-dranomasina : mbola hitondra rotsakorana betsaka ilay andro ratsy

Mbola hitohy ny rotsakorana na efa nivoaka an-dranomasina aza ilay andro ratsy. Ho an’ny afovoantany, hanjom­bona ny andro ary mety hisy orana malefaka indraindray. Nivoaka an-dranomasina teo amin’ny manodidina ny distrikan’i Ambanja, omaly, ny ivon’ ilay faritra andro ratsy. Manohy ny diany miakandrefana somary atsimo andrefana izy. Araka ny vina­vina, […]

Madagasikara-Torkia: maherin’ny 200 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra

Nahomby ny fiaraha-miasa. Mitentina hatrany amin’ny 202 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Madagasikara sy Torkia nandritra ny taona 2023, raha toa ka 102 tapitrisa dolara izany ny taona 2022. Manodidina 11,168 tapitrisa dolara teo ireo vokatra malagasy naondrana any an-toerana, ny taona 2020. Mitentina 10,725 tapitrisa do­lara kosa […]

Fampandrosoana: hamatsy vola 88 tapitrisa euros ny AFD

Mitentina 88 000 000 euros ny famatsiam-bola omen’ny Ivontoerana frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) hanatanterahina ireo tetikasa telo lehibe eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny tetikasa “PADEVE II” izay sahan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany. Hahakasika ny tanàn’ Antsirabe, Fianarantsoa, To­liara, Mahajanga, Antsiranana ary Toamasina. Mitentina 49 000 000 euros kosa ny […]

Fari-piainana: Mahantra ny 24 tapitrisa amin’ny Malagasy

Mampivarahontsana ny tahan’ny fahantrana eto Mada­ga­sikara! Mivelona ambanin’ ny 4 000Ar (0,89 $), isan’olona, ny 24 tapitrisa amin’ny Malagasy, nandritra ny taona 2022, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Izany hoe, mahantra avokoa ny 75% ny Malagasy. Tombana vokatry ny fanadihadiana ny sehatra marolafy nataon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny ivontoerana misahana ny […]

COMFWB Trade Fair : hanasongadina ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola maitso

Fanamby ny hampiroborobo ny fampiasam-bola maitso, ao anatina rojom-pihariana samihafa, hampivoarana ny fandraharahan’ny vehivavy aty Afrika, mandritra ny hetsika COMFWB Trade Fair andiany fahadimy, hatao eto Antananarivo. Hotontosaina eto Antana­na­rivo, ny 14 sy 15 jona izao, ny hetsika “COMESA Federation of Women in Busi­ness (COMFWB) Trade Fair” andiany fahadimy, izay […]