Miisa 300 ny salotra vonjy aina nozaraina tamin’ ny mpanjono, avy amin’ny fokontany efatra any Itampolo, distrika Ampanihy Andrefana, faritra Atsimo Andrefana, ny herinandro lasa teo. Avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ara-tsakafo (FAO) ireo fitaovana ireo, ary efa nisy koa kojakoja hafa efa nozaraina, toy ny harato, arotava ary tady. Nisokatra […]
Auteur/autrice : Adnews
Ambatofinandrahana: Olona iray tratra nangalatra vy
Miisa dimy ny olona voarohirohy tamin’ny halatra vy tao Ambatofinandrahana, faritra Amorin’i Mania, tamin’ny volana febroary teo. Nitoby tao amin’ny toeran’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) any an-toerana, ireo vy ireo, izay tokony hampiasaina amin’ ny fandrafetana tetezana. Nametraka fitoriana tany amin’ny zandarimaria Ambatofindrandrahana ny DRTP, ny 22 febroary, ary […]
Aretin’omby « boroka »: maherin’ny 100 tapitrisa Ar isan-taona ny fatiantoka any Ihorombe
Araka ny antontanisa voarain’ny veterinera na ireo dokotera mpitsabo biby, maherin’ny 100 ny reniomby matin’ny aretina « boroka » isan-taona any Ihorombe. Napetraka ny paikady hizarana fanafody sy vitamina ny reniomby hamahana ny olana. Voambolana fampiasa any amin’ny foko bara ny aretin’ omby « boroka », ilazana ny omby mahia sy sahozanina. Vokatry ny […]
TARATRY ny KANTO
Hiresaka ny vehivavy anaty tantara foronina i Mose Njo. Anisan’ireny ny tantara noraketiny anatin’ilay boky “Lisy Mianjoria”. Hatao ny sabotsy 9 marsa izao manomboka amin’ny 8 ora sy sasany, eny amin’ny Sambalia Antsahavola. Fotoana iresahana mivantana amin’ny mpanoratra koa io, ho an’ireo izay efa namaky ilay boky. Tafiditra anatin’ny fanamarihana […]
Fandraharahana ara-kolontsaina : nisitraka ny « Prom’art » ny tany Antsirabe
Tetikasa mifanohy amin’ny « Tosik’Art » ny « Prom’Art ». Natao hampivoatra, hampitombo lenta ireo mpanakanto sy ny kanto vokariny izany, hanampiana sy hanohanana azy ireo amin’ny asany. Nisy ny fiofanana izay tafiditra anatin’ny tetikasa « Prom’Art », natao tao amin’ny Tranoben’ ny kolontsaina sy ny serasera Antsirabe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisitraka izany ireo […]