Auteur/autrice : Adnews

Hatsikana: hanome fahafaham-po ny mpankafy i Sombiniaina

Hanatanteraka fampisehona hatsikana, ny zoma 30 desambra 2022, eny amin’ny “Food Court – Le Colisée” Ampasanimalo, Ranarivelo Sombiniaina, fantatra amin’ ny anarana entiny miantsehatra hoe Sombiniaina. Hetsika karakaraina trano fisakafoanana iray eo an-toerana Ha­nom­boka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana, ahitana ny seho hatsikana maro nampiavaka sy nahafantarana ity mpanakanto […]

Manararao-pety: fohazina ny maha Malagasy

Tsy mba nanao «fety» ny Malagasy fa nanatanteraka lanonana. Fotoana nanehoana ireo fomba amam-panao he­verina fa hampirindra hatrany ny fiarahamonina sy ny fifandraisany amin’Ilay Nahary. Saika vanim-potoana napetraky ny vahiny avokoa ny ankamaroan’ireo hanatanterahina «fety» ankehitriny. Na izany aza, fanararaotra ny tahaka izao fankalazana ny taom-baovao gregorianina izao. Fifanazavana, fifamelana, […]

Fetin’ny faran’ny taona 2022: marobe ireo mpanakanto malagasy lasa any ivelany

Nivaly kosa ny roa taona tsy niasana ! Tamin’ity angamba no maro indrindra ny mpanakanto malagasy hanafana ny fetin’ny faran’ny taona any ivelany, indrindra ao Frantsa. Tafaverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mpanakanto mpanao mozika. Marina fa tsy izy rehetra no niarina taorian’ny niainana ny valanaretina, saingy azo ambara kosa fa efa […]

Ambovombe : nodorana ireo fanafody lany daty 134 boaty

Hiarovana ny ain’ny mpan­jifa, nodoran’ny eo anivon’ny ny Talem-paritry ny Indostria, varotra, sy fanjifana (DRICC) Androy, ny fanafody tao anaty boaty 134, tao Ambovombe, ny 26 desambra 2022. Nandritra ny fanentanan’ny tompon’andraikitra tao an-toerana sy ny fanaraha-maso nataon’izy ireo, nandraisana fepetra manokana ireo fanafody ahina hiparitaka eny amin’ny mpividy. Ani­san’ireo […]