Auteur/autrice : Adnews

Tsy nanao CJSOI : olan’ny Ministera sy ny Prezidansa

Sambany tao anatin’ny andiany 12 nifanesy no tsy mandray anjara amin’ny CJSOI i Madagasikara. Voalaza fa nampikatso ny dia: ny olana noho ny fifandroritana andraikitra teo amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Fiadidiana ny Repoblika. Sady nalahelo, tsy nahitam-peo, menatra ny ankamaroan’ny mpitia fanatanjahantena, omaly. Tsy nisy nanampo fa tsy misy […]

Anosibe: tratra ilay nandroba tao anaty taxi-be

Avy naka an-keriny ny zavatra teny an-tanan’ny mpandeha taxi-be iray, saron’ny polisy nanao fanamiana sivily ny tovolahy mpanendaka iray tetsy Anosibe, omaly maraina. Nikasa hanao ny asa ratsiny toy ny mahazatra rehefa anaty fitohanana, nitilitily ireo mpandeha anaty fiara ity tontakely ity. Tamin’izany, ramatoa iray tao anaty taxi-be no lasibatra. […]

Fiara nivadika: zaza valo volana maratra, maty ny reniny

Namoy ny ainy teny amin’ny HJRA ilay vehivavy 31 taona niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambodisaha Ambatomirahavavy, ny alahady teo. Mbola tazomina eny amin’ny sampana vonjy aina kosa ny zanany vao valo volana. Tranga mampalahelo. Renim-pianakaviana iray namoy ny ainy noho ny fivadihan’ny fiara nitondra azy teny Ambodisaha Ambtomirahavavy, ny alahady hariva […]