Auteur/autrice : Adnews

Handball – IHF Trophy U20 zazalahy : Tompondakan’ny faritra fahafito ny Akio

Tsy mbola afa-bela tamin’ny Akio Madagascar ny Club M Maorisy, nandritra ny famaranana, niadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball IHF Trophy, zazalahy. Mbola resin’ ny Malagasy tamin’ny isa 37 no ho 22 ry zalahy, teo amin’ny famaranana. Voahosotra ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja hand­­ball sokajy U20 zazalahy (IHF […]

Antsa sy boky: niavaka ny seho “Rohin-kalo”

Nitondra ny “Rohin-kalo” an-tsehatra ry Hanitra olive, Nirihaja, Soambinintsoa. No­tanterahina tetsy amin’ny CGM Analakely, ny asabotsy 26 novambra teo izany, nanomboka amin’ny telo ora tolakandro izany. Fahombia­zana ny seho “Rohin-kalo”… Nahasarika mpankafy literatiora maro, ary niavaka ny rindran-tsehatra sy ny herim-panehoana tamin’ity fampisehoana ity. Ankoatra ny seho an-tsehatra dia nisy […]

Nizara ny “Beko & Blues” : mitana ny maha matihanina azy ny tarika Mikea

Hita taratra ny traikefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Seho matihanina, tsy latsa-danja tamin’ny fanaon’ny tarika Mikea tany ivelany ny seho natolotr’i Théo Rakotovao sy ny tariny, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Nihoatra betsaka aza ny natolotra, noho ny fitia nifamaly teo amin’ireo teny an-tsehatra sy ny mpijery. Vitsivitsy no namaly […]

Nandresy tamin’ny “Star Academy”: Nahazo 100.000 Euros sy famoahana rakikira i Anisha

Nofinofy tanteraka ho an’i Anisha. Rehareha kosa ho an’ny Malagasy manerana izao tontolo izao. Azony ny loka voalohany tamin’ilay fifaninanan-kira “Star Academy” andiany faha-10. “Hanova ny fiai­na- ­ko iny anjoria iny…” Sady nandohalika no latsa-dranomaso i Anisha raha niteny izany, ny alin’ny asabotsy teo. Izay ny fihetseham-pony voalohany, vantany vao […]