Auteur/autrice : Adnews

Praiminisitra Ntsay Christian: “Porofon’ny fitsinjaram-pahefana ny Jir”

Nisokatra omaly ary hitohy hatramin’ny rahampitso ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ ny faritra – Jir” any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Niatrika izany ny Praiminisitra sady lehiben’ny governe­manta ifarimbonana, i Ntsay Christian. Nam­ba­rany tamin’izany fa laharam-pahamehana ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ahafahana mitondra ny fampandrosoana eny ifotony. “Po­rofon’ izany ny […]

Paositra malagasy: miverina ny fiaraha-miasa amin’ny Groupe La Poste

Vita sonia ny fiaraha-miasan’ny Paositra malagasy sy ny EMS Madagascar ary ny Colissimo France, Groupe la Poste rehefa niato nandritra ny 32 taona. Natao teny amin’ny biraon’ny paositra etsy Antaninarenina, omaly, ny hetsika izay na­trehan’ny tomponandraikitra avy amin’ny Paositra malagasy sy ny Groupe La Poste France. Vokatry ny fifampiraharahana natao […]

Vovonana JPRM : manohana sy hampandany ny kandidà n°3

Mivoaka tsikelikely ny mpanohana ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Taorian’ny antoko RPSD, nilaza ny heviny koa ny vovonana Jeunes Patriotes Revolutionnaires Malagasy na JPRM. Namory ny mpikambana tao aminy sy nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny hotely Colbert ny Vovonana JPRM. Nivoitra tamin’izany ny fahavononan’ny mpikambana ha­nohana sy […]

TARATRY ny KANTO

« Festival Flamenco Madagascar ». Mitohy amin’ny anio, eny amin’ny IFM Analakely ny hetsika « Festival Flamenco Madagascar ». Fampisehoana manodidina ny “Flamenco Jazz”, iarahana amin’ny Silo no ho hita eny an-toerana, anio. Raha tsiahivina, efa nisy ny hetsika natao teny Ankatso sy teny Ampa­sanimalo, omaly. Ratsimilaho. Tanterahina eny amin’ny Musée de la Photographie […]

“Ant’sary doc festival”: hampivoatra ny horonantsary fanadihadiana

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny alakamisy 28 septambra 2023, amina toerana maro eto Antananarivo, ny « Festival Ant’sary Doc” andi­any voalohany. Mamon­drona ny mpankafy sy ny matihanina eo amin’ny tontolon’ny horonantsary fanadihadiana ny hetsika. Sokajy efatra no hifaninana mandritra ity fotoan-dehibe ho an’ny horonantsary fanadihadiana ity, ary mpanatontosa maro avy eto Mada­ga­sikara […]