Auteur/autrice : Adnews

Kaominina Ampefy : nisokatra ny fizarana kopia nahaterahana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny kaominina Ampefy, ny fizarana ny didim-pitsarana misolo ny kopia nahaterahana. Tamin’ny volana jolay no nanaovana ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny minisitry ny Fitsarana sy ny OIF. Efa mahatratra 1 561 ireo nisitraka izany. “Tom­bontsoa maro no azo amin’ny fananana ny solona kopia nahaterahana. Anisan’izany ny fidirana […]

Fanisana ireo olona mila tohana: fitaovana enti-manatsara ny fiahiana sosialy ny RSU

Imasoan’ny fitondram-panjakana manomboka izao ny fanaovana ny rejisitra sosialy tokana. Handrindrana ny fisitrahan’ireo marefo ny tohana sahaza azy izany. Hatomboka any amin’ny distrikan’Ampanihy sy Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana, ny alatsinainy izao, ny fanaovana ny rejisitra sosialy tokana (RSU) eto Madagasikara. Tetikasa tanterahin’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny […]

TARATRY ny KANTO

Zoma Finaritra. Tanterahina eny amin’ny IKM Antsahavola, anio tolakandro, ny hetsika « Zoma Finaritra ». « Slam Session », iarahana amin’ny MST, no handravaka izany amin’ity anio ity. Raha tsiahivina, misokatra ho an’ny mpahay kanto rehetra ity hetsika ity, ho fanomezana sehatra azy ireo. “Ny lanitra sy ny fianakaviany”. Hivoaka eny amin’ny edisiona MBM, […]

Michèle Rakotoson: “Tsy ampy tohana ny Malagasy mpanakanto”

Araka ny nambaran’i Mi­chèle Rakotoson, Malagasy mpanoratra nandrombaka ny « Prix Orange du livre en Afri­que 2023 », tsy vitan’ny talenta sy aingam-panahy fotsiny ny fanoratana fa ilana finiavana sy fahavitrihana ary fahazotoana koa. Hampifanarahana ny haikantony amin’ny sivana sy fitsipika mipetraka eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Maro ny Malagasy manana talenta […]

Dihy ankehitriny: fahombiazana ny « Festival Temps Fort Danse »

Hifarana rahampitso ny he­tsika goavana eo amin’ny dihy ankehitriny, natao teny amin’ny IFM Ana­lakely, nandritra ny telo herinandro. Ankoatra ny fampisehoana, hetsika maro no nentina nandravahana ny « Festival Temps Fort Danse ». Fotoana ihany koa nahafahan’ireo mpisehatra eo amin’ny dihy ankehitriny nifanakalo traikefa sy fahaiza-manao. Mbola maro ny hetsika ao anatin’izao […]