Auteur/autrice : Adnews

Ladoany : hampihena ny fandaniana ny «Smart scanning»

Fiovana lehibe ho an’ny sehatry ny fadintseranana ny tetikasa « Smart scanning ». Fitaovam-pitiliana hampiasana ny teknolojia niomerika, hampihenana ny fotoana sy ny fandaniana ho an’ny mpandraharaha. Natao tany Toamasina, omaly, ny fankakazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fadintseranana (JDI). Anisan’ny nanamarihina izany ny fitokanana ny fitaovam-pitiliana avo lenta ao […]

Fiovaovan’ny toetr’andro : mandrisika ny olona hamboly ny fisian’ny zana-kazo maimaimpoana

Ao anatin’ny fot­o­ana fambolen-kazo tanteraka isi­­ka izao. Man­dri­sika ny olona hamboly ny fisi­an’ny fizarana zana-kazo maimaimpoana. Tanj­ona ny ha­me­ren­a­na ny ala potika eto Mada­gasikara. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ary manomboka androany ny taom-pambolen-kazo 2023- 2024 eto Madagasikara. Tanjona apetraka amin’izany ny hahavitana voly zana-kazo manodidina ny 300 000 000 isa ao […]

FANTINA sy FINTINA

Nofoanan’ny filankevitry ny minisitra, tamin’ny alalan’ny didim-panjakana, ny nanendrena ireo talem-paritry ny Fanajariana ny tany rehetra eny an­ivon’ny faritra. Nofoanana koa ny fanendrena ny tale jeneralin’ny Ivontoerana malagasy momba ny Teti-pivoarana (IMaTeP). Fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra ny nanendrena ny talen’ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana an-dRasoamiadanaVictorine. Tale mandrindra ny veliranon’ny […]

Faritra Vakinankaratra : nijery ny olana ifotony ny Antenimierandoholona

Amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierando­ho­lona, nisy ny fivoriana, atrikasa, natao tao Antsirabe, faritra Vakinankaratra, afakomaly. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny governoran’ny faritra. Niatrika izany ny olom-boatendry sy olom-boafidy eny ifotony, toy ny lehiben’ny distrika sy ny lehiben’ny fokontany mbamin’ny ben’ny Tanàna, Antsirabe I […]

Koleranao, kolerako !

  Mihazakazaka ny fametrahana olona sy ny fitadiavana toerana any amin’ny departemanta isan-karazany, taorian’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Mirodorodo, manao be fiavy any amin’ny biraom-panjakana ny manam-pahefana avy any amin’ny faritra, manao ady sisika ny toerana. Niaraha-nahalala fa manomboka rahateo ny fanovana olona. Maro amin’ny solombavambahoaka no manararaotra faramparany ny […]