Mandrara ny fampiasana jiro tsy ara-dalàna amin’ny fiarakodia sy amin’ny fiara kodiaran-droa na telo misy maotera na tsia ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Misy ny naoty nivoaka mandrara ny fampiasana jiro mahajambena sy rendrarendra amin’ny fiarakodia manerana ny Nosy mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Misy, hoy izy, ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiahiahiana kolikoly tany Londres: naverina any am-ponja i Andrianarisoa Romy Voos
Naverina any am-ponja ny tale kabinetra teo aloha, eo anivon’ny Prezidansa, Andrianarisoa Romy Voos. Niakatra fitsarana tao Londres, omaly ny raharaha ary mbola hiverina hotsaraina ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy. Nanda sy tsy niaiky ny fiampangana azy hatramin’ny farany ity tomponandraikitra teo aloha eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ity […]
Firotsahan-kofidina: nisintaka tsy ho kandidà koa Ratsiraka Annick
Niala an-daharana tsy ho mpifaninana amin’ny fifidianana ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick. Nambarany fa noho ny feon’ny fieritreretana no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. “Tsy voahaja ny fiandrianam-pirenena ary voahitsakitsaka ny soatoavina Repoblikanina. Voahosihosy ny vahoaka“, hoy ny eo anivon’ny antoko Arema. Notsiahiviny fa tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitr’izy ireo izao […]
IDC.CDI aty Afrika: voafidy ho filoha lefitra A. Hajo
Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tany Cap-Vert, ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny « Internationale Démocrate Centriste – IDC.CDI”. Nitarika izany ny filohany, i Andrés Pastrana. Anisan’ny tafiditra amin’ny fihaonana ny momba ny fifidianana ka voafidy ho filoha lefitry ny IDC.CDI aty Afrika, ny kandidà ho filoham-pirenena, Andrianainarivelo Hajo. Tsiahivina fa […]
Dr Manitra Rakotoarivony: « Takaitra mandra-pahafaty ny aretina lefakozatra »
« Tokony ho fantatsika fa tsy ny zaza ihany no mety ho voan’ny aretina lefakozatra fa na ny olon-dehibe koa aza. Misy karazany ny aretina lefakozatra izay mitovy amin’ny coronavirus ihany. Misy olona salama mandehandeha nefa mitondra sy manaparitaka ilay aretina », hoy ny fanazavan’ny Dokotera Manitra Rakotoarivony avy ao amin’ny minisiteran’ny […]