Naverina any am-ponja ny tale kabinetra teo aloha, eo anivon’ny Prezidansa, Andrianarisoa Romy Voos. Niakatra fitsarana tao Londres, omaly ny raharaha ary mbola hiverina hotsaraina ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy.
Nanda sy tsy niaiky ny fiampangana azy hatramin’ny farany ity tomponandraikitra teo aloha eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ity tamin’ny fifandaharana teo amin’ny fitsarana. Nanome fe-potoana amin’ny antenantenan’ity volana ity kosa ny mpiara-miasa aminy hamaliany ny fiampangana azy.
Araka izany, nomen’ny tribonaly fotoana indray amin’ny fifanakalozana taratasy ny avy amin’ny fiarovana na ny mpisolovava sy ny avy amin’ny mpitory samy hitondra ny porofo rehetra. Haharitra efa-bolana izany ka any amin’ny 6 febroary 2024 indray ny fitsarana. Hivoaka afaka roa herinandro aorian’izany ny didim-pitsarana.
Natrehin’ny teratany malagasy vitsivitsy
Voalaza fa tsy maintsy handetika azy hatramin’ny farany ny mpitory miaraka amin’ny porofo rehetra, araka ny fampitam-baovao ary hiezaka ny hiaro azy ireo kosa ny mpisolovava. Tsy nisy fangatahana fahafahana vonjimaika intsony noho ny efa nangatahany izany raha vao voasambotra izy ireo. Nolavin’ny fitsarana izany noho ny tahotra amin’ny mety handosiran’ity tale kabinetran’ny Prezidansa teo aloha ity.
Maherin’ny 50 eo ireo Malagasy tonga nanatrika izany saingy tsy tafiditra daholo tao amin’ny efitrano nanaovana ny fitsarana. Nisy avy any Frantsa fa eo koa ny any Angletera.
Synèse R.




