Nidina ifotony tany Sambava ny tale jeneralin’ny Bianco nampahatsiahy ny andraikitry ny tsirairay amin’ny ady amin’ny kolikoly. Fampahatsiahivana ireo andraikitry ny tsirairay amin’ny ady amin’ny kolikoly, fijerena ifotony ny fizotran’ny ady amin’ny kolikoly any anivon’ny faritra, fanentanana ny rehetra hiatrika ny ady amin’ny kolikoly… Ireo no vontoatin’ny fidinana ifotony nataon’ny tale jeneralin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanehoana firaisan-kina: namondrona ny heriny ny zanak’Isandra
Ho filamatra eo amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ny distrikan’Isandra. Nisongadina izany tamin’ny hetsika nataon’izy ireo, ny herinandro teo, tao Isorana. Niaiky ireo mpitarika ny amin’ny fahapotehan’ny fihavanana sy ny firaisan-kina. “Azo averina manomboka amin’ny tsirairay ary miitatra hatrany amin’ny firenena izany”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny fanabeazana sy ny […]
Korea Atsimo sy Madagasikara : hamadika ny otrikarena ho lasa harena
Notanterahina, omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny governemanta malagasy sy ny repoblikan’i Korea Atsimo. Hanamafisana ny fahalalahan’ireo orinasa koreanina hampiasa vola eto Madagasikara. Mba hampivoarana ny fitrandrahana angovo sy ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Manana tombony goavana i Madagasikara noho ny fananany harena voajanahary ary antoka […]
Hanam-pamokarana: tantsaha 292 nahazo tombontsoa
Nisitraka hanam-pamokarana, tamin’ny alalan’ny tetikasa PURPA, ireo kaominina valo ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny herinandro teo. Nahatratra 292 ny tantsaha nahazo ny masomboly vary milanja 2 628 kg, zezika NPK 4 380 kg sy zezika biolojika 21 900 kg. Tetikasa enti-mampiroborobo ny famokarana sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo […]
Tetikasa “Lead asa 400”: mponina 2 tapitrisa hisitraka herinaratry ny Jirama
Anisan’ny paikady hampitomboana ny ambaindain’ny orinasa Jirama ny fanitarana ny tambajotra. Kendrena ny hampidirana jiro any amin’ireo faritra na toerana tsy mbola misitraka herinaratra. Tafiditra ao anatin’ny velirano faharoan’ny Filoha Rajoelina, ny hoe «Herinaratra ho an’ny rehetra». Anisan’ny hanatanterahana izany ny tetikasa “Lead asa 400” sy ny PDDR-CERC. Mamatsy vola […]