Auteur/autrice : Adnews

Fifampikasohana herinaratra: trano fivarotana dimy kilan’ny afo

Nitrangana haintrano ma­hatsiravina tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitaly Be, eo amin’ny “Rond point ” ambody tetezana Tanamakoa, ny zoma 9 febroary, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. “Efa ela izahay no nampandre ny Jirama fa matetika misy manjelanjelatra na mitselatselatra ny tariby mitondra herinaratra amin’ io andrin-jiro io fa tsy […]

Ambohimangakely : mpamaky trano voasambotra

Tratran’ny fokonolona niray hina ny mpamaky trano iray tao Antsahamalaza, fokontany Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely, omaly. Nivoaka antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray anatin’io fokontany io ilay mpangalatra. Tsikaritry ny mponina manodidina anefa ny fihetsiny hafahafa. Nitondra kitapo mainty rahateo izy ka niantsoantso ny mponina. Nanao tongotra an-katoka avy hatrany anefa ilay […]

Mahaboboka – Toliara: Taksiborosy nahatrarana zanaka baobab 24 gony

Mirongatra hatrany ireo manararao-paty manimba ny ala arovana. Lehilahy iray sarona nitondra zanaka baobab tao anaty gony. Noraisim-potsiny! Sa­ron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-pa­ritra Mahaboboka ny taksiborosy iray nitondra jabohy (za­naka baobab) 24 gony, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’ireo hazo sarobidy ka mila arovana ireto karazan-kazo mampiavaka ny faritra […]

INDRAY MIJERY

Miverina mirongatra indray ny valanaretina lefakozatra, hoy ny filohan’ny fikambanana Fitia ka manentana ny rehetra hitondra ny ankizy hatao vaksiny fanefitry ny aretina izy. Maimaimpoana ny fanatanterahana ny vaksiny eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy. Ny zaza latsaky ny 5 taona tsy vita vaksiny no tena marefo manoloana ny […]

Mandritra ny rotsakorana be: tokony hialana ny trano efa ahina hirodana

Tokantrano 15 ao amin’ny fokontany Avaratetezana, kaominina Ampitatafika, no traboina ka voatery mipetraka ao amin’ny toerana fandraisana traboina vonjimaika ao amin’ny FJKOMAF, noho ny fiakaran’ny ranon’i Sisaony. Nizarana vary sy tsaramaso ary menaka ho fanampiana azy ireo tokantrano 15 ahitana olona 57 izay ankizy no maro anisa. Samy nahazo vary […]