Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Efa mivolon’andro fety ny tanàna. Mifanitsa-kitro ny mpivarotra mpaka entana aparitaka any ive­lan’ny Renivohitra. Mirantiranty ny karazana arendrina. Milanjalanja sainam-pirenena ny mpivarotra. Ireo karazan-kilalao manamarika ny fetin’ny 26 jona… tsy mbola tsikaritra kosa ny saina mipetraka isan-tokantrano. Mampihetsika ny karazan’aretina maro ny hatsiaka. Miaro vatana, manao mafana, misotro rano mafana, […]

Eid Ul Adha : Nahatsiaro ny soron’i Abrahama ny Ahmadiyya

Notanterahina teny amin’ny moske foiben-toeran’ny fikambanan’ny Musulmane Ahmadiyya de Madagascar, eny Andavamamba, ny sa­botsy lasa teo, ny fetin’ny fakan-tahaka “Eid ul Adha” ny nataon’i Abrahama araka ny voalazan’ny Soratra Masina hita ao amin’ny Baiboly. Araka ny fanazavan’ny misionera Ah­mad Mujeeb, isan-taona ny fahatsiarovana ny fetin’ny fakan-tahaka ny nataon’i Abra­hama izay […]

Pamela Johnson : Hampianatra teny anglisy ny mpitandro filaminana

Efa tonga eto Madagasikara ny manam-pahaizana mano­kana momba ny fampianarana teny anglisy, Pamela Johnson, araka ny fampahafantarana nataon’ny masoivoho amerikanina. Hitondra tan-tsoroka amin’ny fampianarana teny anglisy ireo mpitandro filaminana izy mandritra ny fandalovany eto. Hiara-hiasa akaiky amin’ny polisim-pirenena malagasy sy ny zandarimariam-pirenena ny tenany. Hitondra fijery sy fandaharam-pianarana teny anglisy […]

CHU HJRA : Miha betsaka ny tanora tsentsina na tapaka lalandra

Misokatra ho an’ny rehetra ny sampandraharaha mandray an-tanana ireo olona mila fandidiana mahakasika ny loha sy ny hazon-damosina ao amin’ny CHU HJRA. Voalaza fa miha tanora ireo olona tratran’ny fahatsentsenan’ny lalandra ankehitriny ary mila fandidiana. Miezaka mampahafantatra hatrany ireo sampandraharaha misy ao aminy ny hopitaly CHU HJRA. Tanjona ny hanamora […]

VAOVAO TAMBATRA

Nidona tamin’ny haran-dranomasina ny sambo mpitatitra entana Amory, teo am-pidirana ny helodranon’i Diego Suarez, akaikin’ny ranomasina Emeraude, ny alahady 8 jona teo. Tsy natahorana ilay sambo, satria tsy nisy rano tafiditra tao anatiny, sady tsy nahitana soritra simba tety ivelany. Voalaza fa olana ara-teknika no nitranga nandritra ny fidirana tao […]