Anisan’ny mampihitsoka ny fandrosoana eto Madagasikara ny fahapotehan’ny lalam- pirenena. Afakomaly, kamiobe mpitatra entana nihitsoka teo amin’ny tetezana, lalam- pirenena fahadimy tapany voalohany. Potika ny lalam-pirenena fahadimy tapany voalohany, mampifandray an’i Toamasina sy Ambatohasina, mialoha ny hidirana an’Antaratasy, Pk 35. Fiarabe mpitatitra entam-barotra iray no nihitsoka teo amin’ny tetezam-by nandritra […]
Auteur/autrice : Adnews
Ankadifotsy: jiolahy tratra teo am-pamakiana lakozia
Tsy mifidy intsony ny jiolahy! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, teny Ankadifotsy, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra miharo vaky trano izy. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nihanika tambohon’olona iray eny […]
Tanjombato : vehivavy mpivarotra rongony tratra
Noraisim-potsiny ny vehivavy iray mpivarotra zava-mahadomelina teny Tanjombato, afakomaly. Naharay fitarainana tamin’ny tsara sitrapo, nanao fanadihadiana ary nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny polisy. Tratra tao Ankady Tanjombato io vehivavy io. Natao ny fisavana, sarona tao aminy ny rongony 275 fonosana. Mahalafo 15 hatramin’ny 20 isan’andro izy, raha ny nambarany. […]
Toby famaharan’ny Tafika an-dranomasina: lehiben’ny Etamazaoro ny amiraly Tsiriniaina Gabriel
Tontosa, omaly, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa ny lanonana ara-miaramila telo lehibe izay samy manana ny lanjany, tao amin’ny toby famaharan’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana… Notanterahina tao amin’ny toby famaharan’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana. Lanonana teo ambany fitarihan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Sahivelo […]
«Fiba World Cup U19»: hisy manam-pahaizana hitily mpilalao
Hiatrika ny lalao maneran-tany amin’ny taranja basikety “Fiba World Cup U-19”, izay hatao any Debrecen, ny 24 jona- 2 jolay ho avy izao, ny Ankoay lahy. Araka ny fanadihadiana natao, hisy mpitily matihanina “agents recruteurs” hijery amin’io fotoana io. Araka ny filazan’Andriantsarafara Lovasoa, kapitenin’ny Ankoay, fotoana fanararaotana hampisehoana ny talenta […]