Nahazo fahombiazana avy hatrany ny ekipam-pirenena malagasy. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipan’i Cameroun, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana “Billie Jean King Cup”, atao any Kigali, ny 5-10 jona izao. Marihina fa fifanintsanana isaky ny ekipa ny “Billie Jean King Cup”. Araka ny voka-dalao, ny alatsinainy […]
Auteur/autrice : Adnews
Kitra : hihaona amin’i La Réunion ny Barea U-23
Hifandona amin’i La Réunion, sokajy sénior, ny Barea de Madagascar U23, ny 17 jona ho avy izao, any Frantsa. Lalao ara-pirahalahiana natao hanomanan’i La Réunion, ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny 23 aogositra-3 septambra ho avy izao, izany. Ankoatra izay, hifandona amin’i Comores sy ny ekipan’i […]
Rugby – XXL Top 20: hivadika ho Top 12 amin’ny taona 2024
Miato aloha ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 16 hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana. Mbola misy efatra mihintsana aorian’izay. Taorian’ny fahavitan’ ny fifanintsanana isam-bondrona, efa fantatra avokoa ireo fileovana 16 tafita amin’ny ampahavalon-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “XXL Top […]
Fitsaboana nentim-paharazana: hamafisina ny lalàna mifehy ny asa
Nivory tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto Mahamasina, ireo mpikambana ao anatin’ny Association des tradipraticiens Malagasy (Astrama), omaly. Fotoana nandinihan’izy ireo ny sata mifehy sy fifidianana ny birao vaovao mandrafitra ny fikambanana ary nijerena ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Tanjona ny hampahatsiahy ny lalàna sy ny didim-panjakana ary ny […]
WikiChallenge 2023 : lasan’ny EPP Behenjy ny loka 5 000 euros
Nisongadina ny EPP Behenjy, tamin’ny fifaninanana “WikiChallenge 2023”. Nahazo ny vola 5 000 euros hividianana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra ny sekoly. Iarahan’ny Fondation Orange sy ny fikambanana Wiki in Africa mikarakara isan-taona ny fifaninanana. Natokana ho an’ny ankizy 9 ka hatramin’ny 13 taona, mianatra eny anivon’ ireo sekoly efa nametrahan’ ny […]