Auteur/autrice : Adnews

Loholona Tsiebo Mahaleo : “Tsy azo ekena ny Tetezamita”

“Aminay, filam-boatsihary ny filazana hoe tokony hanaovana fitondrana Tetezamita izany satria, hono, misy krizy. Tokony hanao fitondrana Tete­zamita avokoa izany ny firenena maneran-tany, satria mandalo krizy sosialy sy toekarena. Tsy any ny resaka.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard. Samy niaina ny fiainam-pirenena teto isika hatramin’ izay. Izany […]

Lisitry ny mpifidy : mbola hisy fitsirihana farany

“Aorian’ny 31 mey, hamoaka ny rejisitra izay azo lazaina hoe lisitra farany ny Ceni”, hoy ny fanazavan’ny mpampakateny, Andriama­ro­tafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny famaranana ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Nefa ireo nisoratra anarana taorian’ny 9 marsa, namaranana ny fandraketana amin’ny ordinatera nahazoana namoaka ny lisitra vonjimaika: […]

Minisitry ny Fitsarana : “Aoka halavirina ny kolikoly”

Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­te­nasoa Landy Mbolatiana ny antso avo efa nataony ho an’ireo mpitsara. “Tsy maintsy halavirintsika ny kolikoly, ary aoka samy hanatanteraka izany”, hoy izy tany Ma­ro­antsetra, ny herinandro teo. Anisan’ireo niatrika ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nametrahana ny filohan’ny fi­tsarana any an-toerana, i Mae­vazaka Josie Thérencia, ny tenany. Notsiahiviny […]

Fihaonana tamin’ny filohan’ny Antenimiera: nitaky fanatsarana lalàm-pifidianana ireo fiarahamonina sivily

Tonga teny Tsimbazaza, omaly, ny solontenan’ireo fiarahamonim-pirenena maromaro, nihaona amin’ireo depiote. Nitondra ny heviny manoloana ny filohan’ny Antenimierampirenena ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana izy ireo. Anisan’izany ny momba ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sy ny hanalavana ny fe-potoanan’ny propagandy. Eo koa ny hamerana ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra. “Nomenay sy nalefa […]

Razanamahasoa Christine : “Fantatro saingy tsy holazaiko ny nandroba tao an-tranoko”

Nitondra fanazavana fohy, manoloana ny fandrobana ny tranony, ny alin’ny sabotsy teo, ny filohan’ny Anteni­mi­e­rampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Mazava ny nambarany. “Mahafantatra ny nahavita izany aho ary tsy ahiahy intsony. Tsy holazaiko anefa izany na tena fantatro aza. Ijoroako ny fanahy mibitsika ato amiko amin’ny fahamarinana”, hoy izy. Nan­te­riny fa […]