Tonga teny Tsimbazaza, omaly, ny solontenan’ireo fiarahamonim-pirenena maromaro, nihaona amin’ireo depiote. Nitondra ny heviny manoloana ny filohan’ny Antenimierampirenena ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana izy ireo.
Anisan’izany ny momba ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sy ny hanalavana ny fe-potoanan’ny propagandy. Eo koa ny hamerana ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra. “Nomenay sy nalefa amin’ireo depiote ary ny mpiantsehatra hafa ny soso-kevitra fanatsarana avy aminay firaisamonim-pirenena”‘, hoy izy ireo, tamin’ny fanambarana, omaly. Nanterin’ireo fiarahamonina sivily maromaro ireo fa manana adidy mavesatra ny depiote handroso sy handany soso-kevitra fanatsarana mba hisian’ny fifidianana marina sy madio.
Nametraka ahiahy koa izy ireo fa mitady ho latsaka an-katerena sy anaty krizy indray ny firenena ka nanaovana antso avo amin’ireo depiote mba hanao ny ny asany araka ny andraikitra sy ny fahefana omen’ny lalàna azy. Hijoro tsy amin-tahotra na am-pihambahambana ary tsy hanaiky ny tsindry na baiko avy amin’ireo rafitra hafa, indrindra ny mpanatanteraka, araka ny fanambarana.
Mitsipaka Tetezamita
Nametra-panontaniana koa izy ireo raha hisy ny fifidianana madio sy hizotra amin’ ny tokony ho izy ka hamoaka mpitondra ho eken’ny rehetra hitarika amin’ny fampandrosoana marina sy hamoaka ny firenena ao anatin’izao fahantrana lalina izao? Ahoana ny tetibola ampy hikarakarana fifidianana matotra hatreto ? “Tsy ekena velively izany fitondrana tsy mahita sy tsy manana enti-manana feno hikarakarana fifidianana izany. Entanina ireo depiote mba hampirisika ny mpanatanteraka hanitsy ny tetibola mba hamaly ny filàna ampy hanatanterahana fifidianana madio sy marina”, hoy ihany izy ireo.
Ankoatra izany, nohitsin’ ny fanambarana fa tsy azo ekena intsony ny fitondrana Tetezamita sy tsy mivoaka avy amin’ny alalan’ny fifidianana demokratika.
Synèse R.




