Auteur/autrice : Adnews

Olona diabetika : aretin’ny fo sy ny lalandra no mahafaty ny 60%

Nitondra fanazavana ny Dr Raherison Rija Eric, endocrinologue, interniste, eo anivon’ny hopitaly Befelatanana (CHUJRB), mikasika ny karazana diabeta mateti-pitranga izay mahavoa ny ankama­roan’ny olona amin’izao fotoana. Nasongadiny tamin’izany fa ny aretin’ny fo sy ny lalandra no mitarika ny 60%-n’ny fahafate­san’ireo olona diabetika. Vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny siramamy maharitra ao amin’ny […]

Mijaly am-panambadiana: 4 taona niaretana herisetra, daroka i Roger sy Maharitra

Tranga matetika, ny vehivavy no tena iharan’ny herisetra amin’ny endriny samihafa eto amintsika. Noho ny fanentanana marobe nataon’ny ONG tao anatin’ny taona maromaro, efa miandahy miambavy ny famakiana bantsilana ny zava-misy. Rehefa tena feno ny kapoaka, tonga eny amin’ny ivontoerana eny Mahamasina ireo lehilahy niaritra an-taonany herisetra ao anaty tokantrano. […]

« Amboaran-kira ho an’i Neny » : hiray sehatra indray i Njakatiana sy i Bodo

Tsy voalohany ny fiarahana ho an’i Njakatiana sy i Bodo. Maro ireo mpankafy ireo fampiaraham-peo iarahan’ireto kalaza ireto, toa ny anatin’ny “Toera-mamy”, “Ry foko”, “Resinao”, sns. Hira nampahafantarana ny fiarahana an-tsehatra, toa ilay seho “Mifampitantana”, izy ireny… Fantatra izao fa hisy tohiny izany, mandritra ny seho “Amboaran-kira ho an’i Neny”. […]

Gadona malagasy: hatsangana ny « Redombe Bagasy »

Tanterahina, anio, eny amin’ny Aro Antsahavola, ny «Zarasehatra Redombe», he­tsika tafiditra ao anatin’ny sehatra bagasy, volana mey 2023, karakarain’ny fikambanana Sehatra Bagasy. Fam­pisehoana, dinika, fampianarana no hameno ny fandaharam-potoana amin’ity anio ity. Tanjona ny fampiraisana ny mpanao bagasy rehetra, eo koa ny fifampizarana eo amin’ny samy mpisehatra eo amin’ity gadona […]

Ho valin’ny fangatahana…: ho vita tsy ho ela ny “Kianjan’ny hiragasy”

Mizotra tsara ny asa fananganana. Hanana fotodrafitrasa azy manokana amin’izay ireo mpanao hiragasy, rehefa vita ny kianja etsy Anosy. Aman-taonany no nangataka kianja manokana ho azy ireo eto Antananarivo ny mpanao hiragasy. Nisy ny fampanantenana nataon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, ka raikitra fa aorina ao ambadiky ny Tranombokim-pirenena ny […]