Auteur/autrice : Adnews

Moussa Soalihy ; « Ny fifidianana ihany no vahaolana »

“Ny firosoantsika amin’ny fifidianana ihany no vahaolana raha tiantsika ny hampandroso ny firenena”, hoy i Soalihy Moussa, mpamakafaka politika eto Madagasikara, omaly, teny Ampefiloha. Nohamafisin’ity mpandinika ity fa tsy ilaina ny miroso mankany amin’ny fitondrana Tetezamita, satria anisan’ireo nampisy ny krizy izany. Raha ny filazany, misy ny fifidianana eto amintsika […]

Tsiahin’ny tantara : ho etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny “Hetsika 72”

Hametraka fehezam-bo­ninkazo, etsy amin’ny kian­jan’ny 13 mey, anio, ny fikambanana “Hetsika 72”. Nam­baran’ireo mpitarika, Rasoloa­rijao Perle sy Rainidina ary koa Andrianaivojaona Fani­rison fa efa nahazoana alalana izao hetsika, anio, izao. No­tsiahivin’izy ireo amin’izao faha-52 taon’ny “Raharaha 72” izao fa mazava ny foto-kevi-dehibe nijoroana ta­min’izany. “Notakina ny fanagasiana ny fampianarana sy […]

Fitakian’ny mpanohitra sasany : mitsipaka ny Tetezamita Ratsiraka Roland

“Malahelo aho mahita antoko politika sy ny sasany manambara fa tsara ny hidirantsika amin’ny Tetezamita”, hoy ny depiote Ratsiraka Ro­land. Fantatra ny dikan’ny Tetezamita fa fiadiana seza sy fanaovana ampihimba ny toekarena. Vao mainka miato ny fiaraha-miasa amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena. “Tsy misy zavatra mahasoa antsika ny Tetezamita”, hoy izy. Tsotra […]

Filohan’ny Antenimierandoholona: «Fiatrehana fifidianana izao no ezahina»

Nitondra ny heviny koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, manoloana ny raharaham-pirenena. Anisan’izany ny momba ny fifidianana. “Ny fiezahana mia­trika fifidianana amim-pahatoniana izao no atao mba hilamina aloha sy mandritra ary ao­rian’ny fifidianana. Mba hoeken’ny rehetra izay voka-pifidianana eo. Na inona na inona vokatra eo, tokony hoeken’ny rehetra.” Io ny fanehoan-kevitry ny […]

Vovonana “Tsimatimanota” : “Tsy avela hanjaka eto intsony ny tsimatimanota”, hoy i Paolo

“Noho ny disadisa misy eto Madagasikara, mahatsapa izahay fa potika ny firenena, mahatsapa izahay fa misy ny tsimatimanota. Eo koa ireo mpiaro olon-dratsy mpamo­tika firenena sy mpamono olona. Noho izany, nanapa-kevitra izahay fa hatsangana ny vovonana miady amin’ny tsimatimanota eto Madagasi­kara”, hoy ny administratera sivily, Paolo Emilio Raholi­narivo Solonavalona, nandritra […]