Manamarika ny faha-51 taona nisian’ny tolona 13 mey 1972 ny Malagasy, anio. Tolona izay niarahan’ny rehetra nahalala fa niafara tamin’ ny fanonganana ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana, Tsiranana Philibert. Tolona nanehoan’ny Malagasy fa vanim-potoana tsy maintsy hijoroan’ny Malagasy amin’ny maha izy azy. Fotoana nandrehitra indray ny fitiavan-tanindrazana taorian’ny nahazoana ny «sarintsarim-pahaleovantena», […]
Auteur/autrice : Adnews
“Raharaha Raissa ” – Minisitry ny Fitsarana: “Mbola anatin’ny tsiambaratelo ny fanadihadiana”
Tsy mbola nifarana manoloana ny resabe. Nitondra fanazavana indray momba ireo nambaran-dRazaivola Raissa farany teo ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy Anosy. Notsiahiviny tamin’izany, misy efa ela ny departemanta mandray ny fitarainana tahaka ireny eo anivon’ny fitsarana. “Efa misokatra ny fanadihadiana saingy mbola ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka izany. Voafetran’ ny […]
Tafika an-tanety : hisy ny fihaonamben’ ny Tafika Afrikanina
Notanterahina omaly, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny Africa Regional Media Hub. Ny mahakasika ny Africa Force Land Summit 2023, AFLS 2023, hotanterahina any Abidjan, Côte d’Ivoire no nampahafantarina nandritra izany. Mpitari-tafika avy amina firenena maro manerana izao tontolo izao, indrindra avy eto Afrika no niatrika izany valan-dresaka izany. […]
Fonjan’Ambovombe : gadra folo saika handositra
Voafonja 10 nikasa handositra tao amin’ny fonjan’ Ambovombe, omaly tolakandro. « Efa tafavoaka ny roa tamin’izy ireo », hoy ny fanazavan’ny kapiteny lehiben’ny vondron-tobim-paritra Ambovombe. Nanapoaka basy ireo mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana mifanolo-bodirindrina amin’izy ireo. Vokany, voasambotra ary tafaverina am-ponja ireo roa nikasa handositra. “Niditra an-tsehatra tamin’ny fifehezana io raharaha […]
Fanafihana sinoa : polisy nahatrarana 7 tapitrisa Ar sy firavaka halatra
Voasakan’ny zandary teny amin’ny RN7, polisy iray nahatrarana firavaka halatra sy vola mitetina 7 tapitrisa Ar tao Antsirabe, afakomaly alina. Nitrangana vaky trano nahaverezana vola 30 tapitrisa Ar mahery tao amin’ny tokatranon’ny sinoa mpividy vato anatin’ny fokontany sy kaominina Tanakidy, distrikan’i Vondrozo, ny alahady hifoha ny alatsinainy 8 mey teo […]