Manoloana ireo basy sy fitaovam-piadiana ampiasain’ny jiolahy manao ny asa ratsiny any Toamasina. Nidina ifotony teny amin’ireo voalaza fa anisan’ny faritra mena ny polisim-pirenena any an-toerana, ny alahady lasa teo. Nitarika izany ny kaomisera Rakotovao Jean Christian sy ny mpiara-miasa aminy. Nijery ny toerana voalaza fa fialokalofan’ny jiolahy rehetra izy […]
Auteur/autrice : Adnews
Ambositra : zandary 1498 naseho ambany faneva
Nahavita fiofanan fototra maha miaramila taorian’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena Ambositra, naseho teo ambany faneva ny andiany faha-77 mitotaly 1498 mianadahy, afakomaly. Niroso tamin’ ny fanomezana anarana na ny “baptême de promotion” indray ka VASIA no anarana nosafidian’izy ireo na kintana izany. Anarana midika hoe fanoloran-tena ho an’ny […]
Kolikoly avolenta tao Toamasina: voaheloka handoa onitra 6 tapitrisa Ar Ratsiraka Elysé
Nomelohin’ny fitsarana handoa onitra 6 tapitrisa Ar ny ben’ny Tanàna ambonivohitr’i Toamasina teo aloha, Ratsiraka Elysé sy ireo olona roa niaraka taminy… Tontosa ny alatsinainy 13 febroary 2023 teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) 67 ha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpiasan’ny kaominina miisa 13 mianadahy. Vavolombelona momba ny raharaha […]
Haratsian-dalana : tsy afaky ny fiara intsony Fandriana-Miarinavaratra
Anisan’ny lalana tena ratsy tsy azo andehanan’ny fiara intsony ny avy eo Fandriana mankany Miarinavaratra. Hany afaka mandeha amin’ity lalana ity sisa ny moto. Nanao ezaka ihany ny fokonolona sy ny olona tsara sitra-po nandravona ny lalana tamin’ny alalan’ny angady ny volana janoary teo, saingy very maina izany, raha vao […]
Sambo vaventy: mpizahatany 1.608 tonga any Toamasina
Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fizahantany eto Toamasina, taorian’ireny krizy ara-pahasalamana Covid-19 nandritra ny roa taona ireny. Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny alatsinainy13 febroary teo ny sambo vaventy Costa Deliziosa, nitondra mpizahatany vahiny miisa 1.608. Ahitana teratany frantsay, alemà, espanola, anglisy ary italiana, ireto farany izay maro an’isa indrindra. […]