Auteur/autrice : Adnews

Tetikasa Tatom : hitarina ny seranan-tsambon’i Toamasina

Niara-nidinika mikasika ny tetikasa Tatom (Antanana­rivo-Toamasina, Madagasi­kara) ireo minisitera efatra, omaly, teny Anosy. Nahitana ny sekreteram-panjakana misa­hana ny tanàna vaovao, mini­siteran’ny Fanajariana ny tany, minisiteran’ny Fitate­rana ary ny minisiteran’ny Asa vaventy. Tanjona ny hanajariana ny fitaterana sy ny tanànan’An­tananarivo, Toamasina ary ny tambajotra Antananarivo- Toa­masina. Nandinika ny fanitarana ny seranan-tsambon’i […]

Varotra lavanila: tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana

Nitondra fanazavana momba ny lavanila ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, omaly, tao Ambohidahy. Tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana na misy ihany aza ireo mpandraharaha mpanondrana manao antsojay ny vidiny. Mandalo krizy ny lavanila malagasy. Tsy mividy lavanila voa­omana ny mpandraharaha nahazo fankatoavana (agréement) […]

Andron’ny mpifankatia : samy nanana ny fankalazana

Isan’andro ny fetin’ny mpifankatia. Fa nanao hetsika fahatsiarovana amin’ny maha fankalazana izany ireo mpifankatia nanontaniana. “Nanomana fanomezana ho ahy ny vadiko vao nifoha maraina”, hoy i Toky. Nilaza izy fa tsy nanam-po izany fi­he­tsika nataon’ny vadiny izany. “Tsara ny fitia mifamaly ka noentiko tany amin’ny toeram-pisakafoana iray ny vadiko mba […]

Mafana ny andro: tomefy olona ny dobo filomanosana

Migaina ny andro tao anatin’ny roa herinandro izao. Fotoana fisokafan’ny dobo filomanosana rahateo ka manararaotra milomano ny olona rehefa faran’ny herinandro. Ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, feno ireo toeram-pilomanosana ary tomefy olona mihoapampana aza izany amin’ny ireo toerana sasany. Mandray ny fepetra rehetra amin’ny fiahiana ireo olona tonga […]