Auteur/autrice : Adnews

Ramamimampionona Gérard : “Jerena izay maharary ny vahoaka”

“Raha te hanao asa sosialy isika, tsy maintsy mijery izay maharary ny vahoaka. Any amin’ny kaominina, na fokontany, na kartie… Misy ny sa­kafo omena izao, fa tsy azo atao ary tsy ho vita ny hizara sakafo mandavantaona”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, momba ny fanaovan’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka. […]

Datim-pifidianana : tsy manitsaka lalàmpanorenana ny Ceni

“Misy tokoa ny fanamarihan’ny olona ny amin’ny hoe manitsaka lalàmpanorenana ny Ceni, raha 9 novambra no hanaovana fifidianana fihodinana voalohany. Mihevitra ny Ceni fa tsy manitsaka lalàmpanorenana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny datim-pifidianana. Raha ny lalàmpanorenana, 19 novambra hatramin’ny 19 desambra no tokony hanaovana fifidianana fihodinana […]

Herisetra amin’ny ankizy : mpifankatia naiditra am-ponja

Mampivarahantsona! Izay no azo ilazana ny fihetsika nasehon’ireto mpifankatia nahavita heloka mamoafady tamin’ny ankizivavy 16 taona manana fahasembanana tao Sainte Marie. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny kaomisarian’i Sainte Marie, manan-janaka vavy 16 taona sembana ara-batana sy ara-tsaina ny renim-pianakaviana iray. Tsy nokarakarainy mihitsy anefa ity zanany ity fa navelany […]

Mitsanga-mihemotra !

Mbetika hisy, mbetika tsy hisy…mipoitra indray ny resaka fanovana governemanta sy ny governora. Nahoraka hatry ny omaly, fa kihon-dalana tsy azo ihodivirana ny fanesorana sy ny fametrahana ekipa vaovao hiara-miasa amin’ny kaomandà mpibaiko ny lamasinina. Maro amin’ny ekipa no tsy maharaka tsotra izao ny hafangainam-pandeha. Betsaka ny tsy mahari-pery ka […]

Voahangy Rajaonarimampianina : voaheloka herintaona an-tranomaizina

Miitatra ilay « Raharaha Rolly Mercia » ! Niampy 30 volana an-tranomaizina ny saziny. Nomelohin’ny fitsarana, higadra herintaona sazy mihantona kosa Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina. Migadra 30 volana, sazy mihatra miampy lamandy 2 000 000 Ariary ny minisitry ny Sera­sera teo aloha, Rahajason Harry Laurent na i Rolly Mercia. Izay ny didy navoakan’ny fitsarana omaly, tao […]