Mitohy ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa (RN 2), mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Ankehitriny, any Anjiro eo amin’ny PK 78 ny ampahan’ny asa atao, ka ao anatin’izany ny fandravonana ny lalana, ny fanotofana ny lavaka, ny fanokafana indray ny tatatra. Hiditra amin’ny fandrakofana godirao avy eo ny manaraka. Tafiditra ao anatin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Miharatsy ny toe-draharaha any Toliara II: vahaolana ny hanokafana ny orinasa Base
Miaina anaty tahotra ny mponina any amin’ny distrika Toliara II vokatry ny tsy fandriampahalemana satria tsy misy ny asa. Vahaolana hitan’ny kolonely Rabearilaza, ny hanokafana indray ny orinasa vaventy indostrialy Base Toliara, afaka manome asa anarivony ho an’ny mponina, sady hitondra fampandrosoana amin’ny lafiny samihafa. Tandindomin-doza ! Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra […]
Toliara: miandrandra fampandrosoana ny tanora
Tsy manana asa ny ankamaroan’ny tanora any Toliara. Tsy safidin’izy ireo izany fa ny asa mihitsy no tsy misy any an-toerana. Voatery manao antom-pivelomana hafa na hatramin’ny nahita fianarana sy manana diplaoma aza, na koa tsy an’asa tsotra izao. Maro ny seha-pihariana na ny fampiasam-bola azo atao any Toliara. Toy […]
Havàtsa-Upem : homarihina ny 21 febroary
Ny 21 febroary no tapaka maneran-tany fa ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenim-pirenena. Toy ny fanaony isan-taona, hanamarika izany ny Havàtsa-Upem, amin’ny alalan’ny fiantsana tononkalo amin’ny teny malagasy isam-paritra. Hetsika hotontosaina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Amphi 10, Fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy siansa maha olona (FLSH), manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ravahin’ny […]
Hetsika iraisam-pirenena: handray ny “Nosy Boraha Jazz Festival” i Sainte Marie
Andiany efatra izao no tontosa tamin’ny «Nosy Be jazz Festival», nohafohezina ho NBJF. Fantatra ny faran’ny herinandro lasa teo kosa fa hikisaka any Sainte Marie ny hetsika, ka hiofo ho “Nosy Boraha Jazz Festival” ny anarany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika izay nataon’ny komity mpikarakara tarihin’i Niry Ravelojaona, ny faran’ […]