Notolorana fanamarinam-piofanana tetsy amin’ny INSPC Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ireo farmasianina mpanara-maso ny fanafody miisa 20 mianadahy. Mandalina misimisy kokoa ny fomba fampiharana ny lalàna eo amin’ny sehatry ny fikirakirana fanafody izy ireo. Hanara-maso ny fampiharana ny didy aman-dàlana, ny fanarahana ireo fenitra amin’ny famokarana fanafody eto Madagasikara ihany […]
Auteur/autrice : Adnews
Festival des initiatives vertes : homezan-danja ny fiarovana ny tontolo iainana
Hotanterahina ny 31 mey sy ny 1 jona izao, etsy amin’ny Alliance francaise d’Antananarivo Andavamamba ny hetsika “Festival des initiatives vertes”, tohanan’ny Telma Madagascar. Tanjona ny hampiroborobo ny fiarovana ny tontolo iainana sy hanomezan-danja ny fampiasana ireo angovo azo havaozina, fanodinana ireo fako sy plastika isan-karazany… “Efa an-taonany maro ny […]
Amphithéâtre Fofifa : havaozina handraisana ny fihaonambe iraisam-pirenena siantifika
Manamarika ny jobily faha-50 taonany ny Fofifa. Ezaka fanavaozana ny efitrano malalaka fandraisana karazana hetsika no hanamarihina izany. Hasiam-panavaozana goavana ny Amphithéâtre ao amin’ny foibem-pirenena momba ny fikarohana hampiharina amin’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra (Fofifa). Izay no tsangambaton’ny fankalazana ny faha-50 taona niorenany. Efa tamin’ny taona 1994 no natsangana ny […]
Tsipy kanetibe : fantatra ireo hanao ny «Masters 2024»
Tontosa ny alakamisy 23 sy ny zoma 24 mey lasa teo, tany Antsirabe, ny fifantenana ireo mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny «Masters 2024» any Frantsa. Voafantina amin’izany, Rafanomezantsoa Andriamahazo Haja (Ny Havana) sy Andrianjaka Jean Michel (Tselonina) ary Ramanantiary Faralahy Urbain Joseph (Baloty), miampy an-dRazafimahatratra Herilantosoa. Mpilalao efa fantatra avokoa […]
Coca-cola-PFL: fantatra avokoa ireo manao ny manasa-dalana
Ny klioban’ny Elgeco Plus Analamanga, ny Disciples Vakinankaratra sy ny Zanakala FC Fianarantsoa ary ny 3 FB Toliara no tafita amin’ny manasa-dalan’ny « Playoff » “Coca-cola PFL”, taranja baolina kitra. Tsiahivina, notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny fihaonana, ampahefa-dalana miverin’ity fifanintsanana ity. Tsy tafavoaka tamin’ny Elgeco Plus Analamanga ny ekipan’ny Fosa […]





