Tsy nahitana endrika vonoan’olona ity raim-pianakaviana hita faty ity nitsirara teo amoron-dalana tao amin’ny fokontany Ambalakisoa Toamasina, ny alatsinainy teo. Raha ny fanazavana voaray, tombanana ho manana aretim-borona izy satria nahitana ranovava maro nivoaka ny vavany sy ny orony. Mety nihetsika izany ka nianjera tamin’ny rano mihandrona, ny orana rahateo […]
Auteur/autrice : Adnews
Filohan’ny Hafari : “Mila ovaina ny fototra eo amin’ny sehatra politika”
“Iriko ny hanamboarana ny fototra eo amin’ny sehatra politika misy eto amintsika”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly. Laharam-pahamehana ho an’ireo mpanao politika eto Madagasikara hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Samy manao izay ahazoany tombony ary ny ataon’ny teo aloha ihany no […]
Renim-pianakaviana sahirana: saika homeny olona ny zanany vavikely
Nampihoron-koditra ny fihetsika nataon’ny renim-pianakaviana iray nikasa hanary ny zanany tany Manakara… Niteraka resa-be teo amin’ny fiaraha-monina sy tao amin’ny tambajotran-tserasera ilay renim-pianakaviana saika hanome olona ny zanany tao Manakara. Omaly, nirenireny tao an-toerana izy ka nitady izay handray ilay zazavavikely vao iray volana sy tapany. “Olona avy any Vohipeno […]
Afrika -CEDEAO*: ho an’ny fambolena, fotodrafitrasa, fitaterana
Nankatoavin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) ny hanome 50 tapitrisa dolara sy 50 tapitrisa euros ireo tany afrikanina mpikambana ao Afrika andrefana. Mbola ampian’i Chine 30 tapitrisa dolara izany amin’ ny alalan’ny «Africa Growing Together» fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Afrika. Nomena izany famatsiam-bola izany mandritra ny telo taona […]
Varotra lavanila: nifampiresaka ny mpandraharaha sy ny minisitera
Ny 15 novambra 2022 no nisokatra ny fotoam-panondranana lavanila ary tsy hitsahatra izany raha tsy ny faran’ ny volana mey 2023. Natomboka ny dinika fitadiavam-bahaolana eo amin’ny fihariana lavanila manoloana ny olana misy sy ny fitarainana. Noho izany, nanokatra fiaraha-midinika tamin’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila ny minisitera misahana ny Varotra. Dingana […]