Auteur/autrice : Adnews

“Tagnamaro” : nanao hetsika ny any Vakinankaratra sy Diana

Tonga maro ireo mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ao amin’ny faritra Diana tamin’ny fanatanterahana ny hetsika « tagnamaro, andron’ny olom-pirenena », fanao isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana, notontosaina tao amin’ny CFP par Excellence ao Antsiranana. Sekoly efatra LTP PK4, […]

Cisco Antananarivo Renivohitra: 5 taona ny mpiadina zandriny indrindra amin’ny CEPE 2024

Ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana ny tomponandraikitra sy ny mpiadina amin’izao fotoana izao. Iray volana mialoha ny CEPE, mandrefy ny fari-pahaizana amin’ny andrana ny mpiadina. Mahatratra 27 581 ny isan’ny mpiadina amin’ ny fanadinam-panjakana CEPE ato anatin’ny Cisco Antananarivo Reni­vohitra, araka ny vaovao navoakan’ny Cisco. Hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 42 izy […]

Fifanakalozana ara-barotra: fifanarahana eo amin’ny UE sy Madagasikara

Manondrana vokatra betsaka mihazo ny Vondrona eoro­peanina (UE) i Mada­gasikara raha oharina amin’ny fanafarana. Nampahafantatra izany ireo tomponandraikitra samihafa nandritra ny herinandron’i Europa teo. No­vakina bantsilana ny momba ny fifaranarahana ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Nampahafantarin’ny so­lontenan’ny minisiteran’ny Fam­piroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana nandritra izany […]

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: nahazo karatany ny any Alaotra Mangoro

Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny hetsika fizarana karatany faobe sy titra ho an’ny any Alaotra Mangoro, tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny nisitraka izao hetsika izao ny tao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Teo ny fizarana karatany miisa 1 164 ho […]

BFM : Vakoka mitahiry ny vola malagasy

Nifarana ny zoma teo ny fampirantiana maimaimpoana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ho fampahafantarana ny tantaran’ny vola malagasy. Hetsika izay tafiditra amin’ny famaranana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ ny BFM tetsy Analakely. Ny taona 1896 ka hatramin’ny 1925, ny vola Eoropeanina sy Amerikanina no nampiasaina teto Madagasikara. Nofaritana tamin’ny taona […]