Auteur/autrice : Adnews

Lalam-piofanana vaovao : hatsangana ny toeram-panofanana miaraka amin’ny UE

Nifantoka tamin’ny fiaraha-miasa ho fampiofanana ny vehivavy ny dinika nihaonan’ ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina monina sy miasa eto Madagasikara, Isabelle Delattre, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa, Rakoton­drazafy Lalatiana. Tanjona ny hampidirana ny tovovavy sy ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa ahafahany mahaleo tena. Tsapa fa […]

Vakinankaratra : nahazo fiara fitondrana marary

Ho fanohanana ny fametrahana ivontoerana ho an’ny vonjy taitra ho an’ny faritra Vakinankaratra, nanolotra fiara manokana fitondrana marary ny masoivohon’i Japon eto amintsika. Tafiditra amin’ny fandaharanasa fanampiana ny tetikasa eny ifotony izay mifototra amin’ny maha olona ny fampitaovana. Fiara efa nampiasaina tany Japon ireo fa nohavaozina tanteraka tany an-toerana ho […]

Banky iraisam-pirenena-Men : 180 tapitrisa dolara ho an’ny fampahaleovantena ny vehivavy

Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny vehivavy mahaleotena. Izany indrindra no anton’ny fanohanana azy ireo ka nanokanan’ny banky iraisam-pirenena vola mitentina 180 tapitrisa dolara amin’ireo tetikasam-pampandrosoana. Manohana ireo karazana tetikasa ao amin’ny minisiteran’ny Fanabe­azam-pirenena (Men) ny banky iraisam-pirenena. Mi­ten­tina 180 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hanatanterahana izany. Maro ireo tetikasa mikasika ny […]

Fivoriana any Afrika Atsimo: hatsaraina ny serasera momba ny fifidianana

Miatrika fivoriana any Johannesburg Afrika Atsimo, hatramin’ny anio 29 febroary, ireo rafitra mpikarakara fifidianana amin’ireo firenena miisa 18, mpikambana eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny miatrika izany any an-toerana ny mpikambana eo anivon’ny Ceni, tarihin-dRazafimamonjy Laza. An­isan’ny hiompanan’ny fihaonana amin’izany ny torolalana eo amin’ny haitao ara-kajy mirindra sy ny tambajotran-tserasera amin’ny fiatrehana […]

Kolektifa an’ny Malagasy : mitaky mangarahara amin’ ny Ceni

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Kolektifa an’ny Malagasy, omaly. Hentitra ny fitakian’izy ireo. “Mitaky ny hisian’ny mangarahara izahay”, hoy izy ireo. Anisan’ izany ny tokony hamoahan’ny Ceni ny marina sy ny mangarahara ho azon’ny rehetra vakina sy arahina ny tatitra manoloana ny fanambaran’ny eo anivon’ny Vondrona Eoro­peanina (UE), momba ny […]