Auteur/autrice : Adnews

Fanenana loza : Haverina matetika ny fanentanana momba ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana

Tsy mitsaha-mitom­bo ny trangana lozam-pifamoivoizana eto amin’ny Nosy, raha ny zava-misy. Hamoiza­na aina ny ankamaroan’izy ireny. Anisan’ ny tena mateti-pitranga ny loza eo amin’ny mpitondra kodiaran-droa. Antony mahatonga izay, amin’ny ankapobeny, ny tsy fahafehezan’ny mpampiasa lalana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Natao ho an’ny rehetra ny fahaizana ny lalàna mifehy […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 6 ora isan’andro ny fahatapahan-jiro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, amin’izao fotoana. Miteraka fahasorenan’ny mpanjifa ny zava-misy na eo aza ny fanazavana ataon’ny orinasa Jirama. Miantraika amin’ny famatsian-drano ny tsy fisian’ny herinaratra. Mitandahatra maro eny amin’ny paompy ny daba mavo miandry ny fiverenan’ny rano hampiasaina ao an-tokantrano, mikorontana ny […]

65 taona fahaleovantena: Labiera vaovao mandritra ny 2 volana ihany

Mandray anjara amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ny orinasa Star. Nambaran-dRakotonarivo Miora, tomponandraikitry ny marika ao amin’ny orinasa, omaly, fa manolotra vokatra vaovao, « THB Indépendance, labieran’ny Fahaleovantena », izy ireo hanamarihana izany. Labiera vaovao, manana tsiro sy loko vaovao matroka (ambrée) miohatra amin’ny mahazatra. Ambony kokoa ny heriny, 6,5% […]

Tahirimbolan’ny lalana FR : Arahi-maso ny fanamboaran-dalana

Tsy maintsy arahi-maso sady hamarinina ny kalitaon’ny fanamboaran-dalana eto amintsika. Tanjona ny hananana lalana mafy orina sy maharitra ary azo antoka ho an’ny mpampiasa azy. Manao ny fitsirihana sy fanaraha-maso ara-teknika ny Laboratoara nasionaly ny Asa vaventy sy ny taotrano (LNTPB), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Singanina amin’izany […]