Auteur/autrice : Adnews

FMTM 75 taona : Piesy teatraly 4 holalaovina misesy

Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-75 taona niorenan’ny Fikambanan’ny mpanao teatra malagasy FMTM. Ao anatin’ny efatra herinandro, tantara 4 samy manana ny mampiavaka azy no holalaovina an-tsehatra ao amin’ny efitrano Théâtre Charles Ravaloson Ivokolo Analakely. Ny sabotsy 14 novambra, fiakarana an-tsehatra miaraka amin’ny tropy Randrana. Ny 21 novambra, ny tropy […]

Marion, 20 taona niakarana sehatra : Hira 50 hatolotra ho an’ny mpankafy

Seho miavaka no hitranga mandritra ny famaranana ny faha-20 taona niakaran’i Marion sehatra. Mpitia zavakanto maro rahateo no efa miandry azy ity fatratra. Fampisehoana hotanterahina eny amin’ny La­pan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny alahady 1 novambra, no hatolotr’i Marion ho an’ny mpankafy, ao anatin’izao faha-20 taona niakarana sehatra izao. […]

VAOVAO TAMBATRA

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny masoivohom-paritra EDBM ao Sambava. Napetraka sy ampiasaina ao amin’ny faritra Sava ihany koa ny vovonana niomerika « Orinasa ». Rafitra natao hamoronana orinasa amin’ny alalan’ny internet. Manamafy ny fanakaikezan’ny EDBM ireo mpandraharaha ara-toekarena any Sava ity dingana ity. Nandritra izany, nahazo fiofanana momba ny […]

Tetikasa D-CLIC : Tanora 200 hiofana amin’ny niomerika

Manodidina ny 200 ny ta­nora malagasy hisitraka fiofanana maimaimpoana momba ny teknolojia niomerika, ao anatin’ny tetikasa D-Clic. Tan­terahin’ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF), ny Orange Solidarité Ma­dagascar ary ny Agence universitaire de la Franco­phonie (AUF) ny hetsika. Tanjona ny hanamafisana ny fahaizan’izy ireo sy hanamorana ny fidirany eo amin’ny […]

Ladoany : Mitaky hanajana ny lalàna ny SIDM

Nahatsikaritra ny Sendikàn’ny inspekteran’ny ladoany eto Madagasikara (SIDM) fa nisy tranga maromaro mahakasika ny mpiasan’ny fadintseranana tato anatin’ny volana vitsivitsy. Mampametra-panontaniana azy ireo ny fanajana ny lalàna sy ny fomba nitaterana ny zava-nitranga tamin’ny vahoaka. Misy ny fiampangana sasany tsy mbola voaporofo, eo ny fanaratsiana ny fadintseranana iray manontolo. Ho […]