Auteur/autrice : Adnews

Praiminisitra Ntsay Christian : “Manaja ny fandaminan’ny depiote ny governemanta”

Naneho hevitra manoloana ny tsy naharaikitra ny adihevitra momba ny tatitry ny governemanta, tokony ho niarahana amin’ny depiote ny Praiminisitra, Ntsay Chris­tian. “Tany demokratika isika, lapan’ny demokrasia ny Ante­nimierampirenena ka manaja ny fandaminan’izy ireo izahay. Tonga ny governemanta rehefa nantsoina hiatrika ny adihevitra, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana”, hoy izy. Nohamafisiny […]

Krizy lalina

Mampalahelo ny zava-misy eto Madagasikara. Manom­boka eny ifotony rehetra eny ny olana mipaka amin’ireo heverina ho lohan’ny firenena. Taiza sy oviana no nisy izany hoe tsy mifanome hasina intsony ny andrimpan­jakana. Tsy tahotra tsy henatra, imason’olon-tsotra, ivelan’ny rafitra sy ny mpanao gazety, no mifandramatra toa zaza mifana­rakaraka ireto olom-boafidy. Efa […]

Nanjavona ny depiote: nody maina ny governemanta

Zara fa nisy depiote nandray ny fahatongavan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta, omaly, teny Tsimbazaza. Nahemotra ny ady hevitra teo amin’ny roa tonta. Voatery nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny adihevitra momba ny tatitra nataon’ny governemanta, araka ny tapaky ny depiote, tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana. Nahan­ja­hanjan’ireo solombavambahoaka, nandritra ny ora iray mahery, […]

Association Fitia : mpivady misandoka ny anaran’i Mialy Rajoelina

Naiditra am-ponja eny Antanimora ny lehilahy iray raha nomena fahafahana vonjimaika ny vadiny rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly. Voarohirohy ho manao fisolokiana ireo sahi­rana ara-pivelomana izy mi­vady. Misandoka amin’ny anaran’ny “Association Fitia” sy ny vadin’ny filohan’ny Re­poblika, Mialy Rajoelina, izy ireo. Ny zandary teo anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava […]

Bel’Air Talatamaty : lehilahy saika handefa vola sandoka tamina Cash-point

Noraisim-potsiny! Voa­sam­botry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Tala­tamaty, afakomaly, ny jiolahy iray niaraka tamin’ny vola sandoka marobe saika halefa tamina Cash-point iray eo Bel’Air, Talatamaty. Tonga nampandre ny zandary ny olona iray mpanao Cash- point tamin’io fotoana io (tamin’ny 7 ora sy 30 mn), fa misy lehilahy iray saika […]