Amin’ny maha Nosy antsika, ilaina ny fifehezana ny teny anglisy, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, nandritra ny famoahana ireo mpianatra 41 mianadahy nahavita fiofanana momba ny teny anglisy… Notolorana mari-pahaizana, omaly, ireo mpianatra 41 mianadahy, nahitana sivily sy miaramila, nandalina manokana ny teny anglisy […]
Auteur/autrice : Adnews
Cisco Tana-Ville : hiditra amin’ny CEPE andrana faharoa ny mpiadina
Manakaiky ny fotoana hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2023 ity. Efa eo am-panomanana izany ny ankamaroan’ny sekoly satria efa vita avokoa ny fandaharam-pianarana, raha nanontaniana. Ankoatra izay, vonona ara-tsaina sy ara-batana ary ara-pitaovana avokoa ny ankamaroan’ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana. Nahavita ny fanadinana andrana andiany voalohany avokoa ireo mpiadina […]
Fokontany Antanambao Nosibe : tsy misitraka ny tamberimbidy amin’ny haba
Anisan’ny fokontany be mponina sy mamokatra ny fokontanin’Antanambao Nosibe, anatin’ny kaominina ambanivohitr’ Antetezambaro, disitrikan’ i Toamasina II. Avy ao Toamasina, 25 km manaraka ny lalam-pirenena faharoa izy. Miisa 1560 ny mponina ao aminy, izay mizara amin’ny tanàna 20 ankoatra ireo lazaina hoe Andasy na Ankapa. Tanàna mamokatra Antanambao Nosibe. Saika […]
Fanadinam-panjakana CEPE : 515 081 ireo mpiadina manerana ny Nosy
Iray volana latsaka sisa, hiatrika ny fanadinam-panjakana voalohany ny mpianatra ny 20 jona ho avy izao. 515 081 ireo mpiadina fanadinana CEPE manerana ny Nosy ka mpiadina miisa 99 amin’ireo no manana tsy fahatomombanana ara-batana. Eto Antananarivo, manana mpiadina 169 022 izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 572. Any Fianarantsoa, 95 573 […]
Sokatra 43 very tany Toliara : tsy nampiharina ny Dinabe
Nisy sokatra miisa 43 tratra tany amin’ny tokantranon’olona iray, ny volana avrily teo. Niisa efatra no voarohirohy, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dreed) Atsimo Andrefana. Olona telo indray no voaantson’ny fitsarana, nomena fahafahana vonjimaika ny roa, anisan’ilay nahatrarana ny sokatra tao an-trano, ary iray […]




