Auteur/autrice : Adnews

Sehatry ny jono : nojerena ny orinasa Polyma

Anisan’ny fitaovana ma­nan-danja amin’ny fanjonoana ny fananana sambo enti­na mampiroborobo ity seha-piha­riana ity. Araka izany, ni­tsidika ny orinasa malagasy mpanamboatra sambo, Polyma eny Ilafy, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, ny alakamisy teo. Hita tao avokoa ireo karazana sambo rehetra, toy ny sambo madinika, ny haingam-pandeha […]

Fihariana: toho-tantely 1.000.000 haparitaka manerana ny Nosy

Harena sy namana ny tantely. “Andao hamonjy ny tantely ho an’ny famokarana manaja ireo bibikely mpamindra vony, mpampivady zava-maniry”. Io ny teny filamatra nentin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Mi­nae), nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ ny tantely, ny zoma sy sabotsy teo, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Tanjona […]

Fampiroboroboana ny fiompiana : hanampy betsaka ny tantsaha ny sehatry ny nomerika

Tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny famokarana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Betsaka ny vokatsoa azo avy aminy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fizarana traikefa, ny famantarana ny tantsaha iray ary ny asa famokarana ataony. Nanao sonia fiaraha-miasa telo sosona, nandritra ny fikaonandoha momba ny fampiroboroboana ny ny haitao ara-kajy mirindra, […]

Toetry ny andro : hanomboka anio ny kongresy maneran-tany faha-19

Hanomboka anio ary hifarana ny 2 jona izao ny kongresy maneran-tany faha-19 momba ny toetry ny andro. Handray anjara amin’izany i Madaga­si­kara amin’ny alalan’ny fandraisana anjara ampitain-davitra ho an’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro fa hanatrika izany mivantana kosa ny solontena maharitry ny Repoblika malagasy eo anivon’ny Fire­nena mikambana […]

Fiteam : 4 tapitrisa ny Tandroy mila ravinahitra manerana ny Nosy

Nanatanteraka fihaonambe ny fikambanan’ny terak’An­droy (Fiteam) tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny sabotsy teo. “Tanjona ny fanehoana firaisankina”, hoy ny filohany Rakotondrazaka Ladislas Adrien. Tonga namaly ny antso avokoa ireo terak’Androy ao amin’ ny fitondram-panjakana sy ny mpianatra avy any amin’io faritra io mandranto fianarana eto ary ireo mpila ravinahitra eto […]