Nofaranana teny amin’ny Lycée Français Ambatobe, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “Rallye mathématique” andiany faha-19. Ekipa valo isaky ny sokajy no niatrika ny dingana famaranana, nandraisan’ ny faritra enina anjara, tamin’ ity taona ity. «Fifaninanana matematika famahana olan’ny fiainana andavanandro ny «Rallye mathématique» ka hizarana ny ankizy mpianatra hiaina […]
Auteur/autrice : Adnews
Fananahana ara-pahasalaman’ny tanora: tokony havaozina ny fandaharam-pianarana
Nikarakara fifanakalozana niaraka tamin’ny tanora 15 solontenan’ny faritra momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora (SRA) ny Coalition droit de disposer de son corps et les droits et santé sexuelle et reproductifs- Forum génération égalité, ny herinandro lasa teo. Nifotoran’ny fifampizarana ny zava-misy momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora any amin’ny faritra sy […]
Liva Ramorasata: andrarezin’ny mozika malagasy
Liva Ramorasata, mpahay kanto manana ny maha izy azy eo amin’ny mozika, indrindra ny piano. Mpampianatra ary mpikaroka eo amin’ny sehatry ny mozika ihany koa izy, ankoatr’izay. Efa ampolo taonany maro no nanaovany izany asa izany ary mbola mitohy ankehitriny. Maro ny mpitendry mozika manana ny maha izy azy novokariny. […]
Ludysoa sy Nathan: niara-paly tamin’ny mpankafy azy ny tarika Soa
Fotoana mamy nifampizarana hafaliana sy nihaonana, teo amin’ izy miandahy sy ny mpankafy azy, ny teny amin’ny CCEsca Antanimena. Nahafinaritra tokoa ny seho nomen’izy ireo ny mpankafy ary nahitana kanto maroloko samy nanana ny maha izy azy. Tontosa teny amin’ny CCEsca Antanimena, ny sabotsy 20 mey 2023, ny fampisehoana tokana […]
Kitra any Algerie : nahafaty baolina i Rakool
Ela no niandrasan’ny rehetra azy fa izay vao tonga. Nahafaty ny baolina voalohany ho azy Rakool, tao amin’ ny Mouloudia Alger. Ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Nelson Mandela, tao Alger, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana nikatrohan’ ny ekipany sy i Sahara andrefana, tafiditra ao anatin’ ny fankalazana ny faha-50 […]




